Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Marka 10:38 - DIEM PROTESTANTA

38 Fa hoy i Jesoa taminy: –Tsy fantatrareo manko izay angatahinareo; vitanareo ve ny hiaritra fijaliana tahaka ny hiaretako, na ny hiroso amin’ny batisa hirosoako?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

38 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy fantatrareo izay angatahinareo. Hainareo va ny hisotro amin’ny kapoaka izay isotroako, na ny hatao batisa amin’ny batisa izay anaovana Ahy batisa?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

38 Fa hoy i Jesoa taminy: –Tsy fantatrareo manko izay angatahinareo; vitanareo ve ny hiaritra fijaliana tahaka ny hiaretako, na ny hiroso amin’ny batisa hirosoako?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

38 Ary hoy i Jesoa taminy: «Tsy fantatrareo izay angatahinareo; moa mahasotro ny kapoaka izay hosotroiko va ianareo, na mahazaka ny batemy izay hanaovana batemy Ahy?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

38 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny hisotro amin’ny kapoaka izay sotroiko, na ny hatao batisa amin’ny batisa izay anaovana Ahy batisa?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

38 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny hisotro amin'ny kapoaka izay sotroiko, na ny hatao batisa amin'ny batisa izay anaovana Ahy batisa?

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 10:38
14 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy i Salômôna namaly an-dreniny: –Nahoana ianao no mangataka an’i Abisaga avy any Sonema ho an’i Adônià? Angataho ho azy koa ny fanjakana satria izy no zokiko; dia ho azy izany sy ho an’i Abiatara mpisorona ary ho an’i Jôaba zanakalahin’i Tseroià?


satria Andriamanitra no mpitsara, ka mampietry ny sasany Izy ary manandratra ny hafa kosa.»


Ny Tomponao, ilay TOMPO sady Andriamanitrao, dia mandaha-teny hiaro ny vahoakany ka milaza aminao hoe: «Indro hoesoriko eny an-tananao ilay tsatokaty misy fisotro mahafanina, dia tsatokaty feno ny fahatezerako, ka tsy hisotroanao izany intsony.


Izao no voalazan’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely tamiko: «Raiso etỳ an-tanako ity tsangambava izay feno ny divaim-pahatezerako ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra izay anirahako anao.


Koa ianao ve sahy hitaky tombontsoa ho an’ny tenanao manokana? Tsia, aza mitaky na inona na inona; fa indro Aho hahatonga loza ho amin’ny olombelona rehetra. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Kanefa izao no tombontsoa hanananao: Hataoko velona aina ianao any amin’ny toerana rehetra halehanao.»


Dia nandroso kely i Jesoa, ary niankohoka tamin’ny tany ka nivavaka hoe: –Raiko ô, raha azo atao, esory lavitra Ahy izao fijaliana izao; kanefa tsy hoe araka izay sitrapoko, fa araka izay sitraponao!


ary niaiky heloka izy ireo ka dia nataon’i Jôhany batisa tao Jôrdàna.


ary hoy Izy: –Raiko ô, vitanao ny zavatra rehetra; esory lavitra ahy izao fijaliana izao, kanefa tsy hoe izay sitrapoko, fa izay sitraponao!


Misy batisa tsy maintsy hirosoako, ka may erỳ Aho miandry ny hahatanterahany!


nanao hoe: –Ray ô, raha sitrakao, esory lavitra Ahy izao fijaliana izao; kanefa aoka tsy ny sitrapoko no hatao, fa ny anao.


Fa hoy i Jesoa tamin’i Petera: –Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao. Tsy hiaretako ve ny anjara fijaliana nomen’ny Ray Ahy?


Toy izany koa no anampian’ny Fanahy Masina antsika amin’ny halementsika. Satria izay vavaka, araka ny tokony hataontsika, dia tsy fantatsika akory; fa ny Fanahy Masina mihitsy no mivavaka ho antsika amin-tsento tsy hay ambara amin-teny.


mangataka amin’Andriamanitra ianareo nefa tsy mahazo, satria ratsy fangataka: izay hiaranan’ny filàndratsinareo no angatahinareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra