Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 10:25 - DIEM PROTESTANTA

25 Ampy ho an’ny mpianatra ny tonga tahaka ny mpampianatra azy, ary ho an’ny mpanompo ny tonga tahaka ny tompony. Koa raha ny loham-pianakaviana aza nisy nanao hoe Belzeboba, mainka fa ny fianakaviany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Fa ampy amin’ny mpianatra raha tonga tahaka ny mpampianatra azy izy, ary ny mpanompo raha tonga tahaka ny tompony. Raha ny tompon-trano no nolazainy hoe Belzeboba, tsy mainka va ny ankohonany?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Ampy ho an’ny mpianatra ny tonga tahaka ny mpampianatra azy, ary ho an’ny mpanompo ny tonga tahaka ny tompony. Koa raha ny loham-pianakaviana aza nisy nanao hoe Belzeboba, mainka fa ny fianakaviany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 fa ampy ho an’ny mpianatra ny tahaka ny mpampianatra azy, ary ho an’ny mpanompo ny tahaka ny tompony. Raha ny lohan’ny fianakaviana aza nantsoiny hoe Belzeboba, mainka fa ny ankohonany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Fa ampy amin’ny mpianatra, raha tonga tahaka ny mpampianatra azy, ary ny mpanompo, raha tonga tahaka ny tompony. Raha ny tompon-trano no nataony hoe Belzeboba, tsy mainka va ny ankohonany?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Fa ampy amin'ny mpianatra, raha tonga tahaka ny mpampianatra azy, ary ny mpanompo, raha tonga tahaka ny tompony. Raha ny tompon-trano no nataony hoe Belzeboba, tsy mainka va ny ankohonany?

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 10:25
13 Rohy Ifampitohizana  

Indray andro i Ahazià mpanjakan’i Israely dia nianjera avy teny an-davarangan’ny efitrano ambony amin’ny lapany tao Samaria ka naratra mafy. Dia naniraka olona izy hanontany an’i Bahala-Zeboba andriamanitry ny tanànan’i Hekrôna, raha toa ka ho sitrana amin’izao ratra nahazo azy izao na tsia.


Nony nandre izany kosa ny Farisianina, dia niteny hoe: –Tsy misy androahan’ilay io ny demony, afa-tsy fahefana avy amin’i Belzeboba, filohan’ny demony!


Ary raha fahefana avy amin’i Belzeboba no androahako ny demony, fahefana avy amin’iza kosa no androahan’ny mpomba anareo azy? Noho izany, ny mpomba anareo ihany no hanameloka anareo.


Ny Farisianina kosa niteny hoe: –Fahefana avy amin’ny filohan’ny demony ange no androahany ny demony e!


Ka novalian’ireo hoe: –Vitanay! Dia hoy i Jesoa taminy: –Ny fijaliana hiaretako dia hiaretanareo tokoa, ary ny batisa hirosoako dia hirosoanareo tokoa;


Ary hoy ireo mpahay lalàna nidina avy tany Jerosalema hoe: –I Belzeboba no ao amin’ilay io ary fahefana avy amin’ny filohan’ny demony no androahany ny demony.


Fa nisy kosa niteny hoe: –Fahefana avy amin’i Belzeboba filohan’ny demony ange no androahany ny demony e!


Koa raha mifanao an-kolafiny ry i Satàna, ahoana no mbola haharetan’ny fanjakany? Ianareo manko milaza hoe fahefana avy amin’i Belzeboba no androahako ny demony.


Ary raha hoe fahefana avy amin’i Belzeboba tokoa no androahako ny demony, mba fahefana avy amin’iza kosa no androahan’ny mpomba anareo azy? Noho izany dia ireo mpomba anareo ihany no hanameloka anareo.


Maro tamin’ireo no nanao hoe: –Ondranondranana io sady very saina, ka inona no ihainoanareo Azy?


Dia hoy ny vahoaka taminy: –Ondranondranana Ianao! Iza no mitady hamono Anao?


Dia niteny tamin’i Jesoa ny Jiosy nanao hoe: –Tsy marina ve ny filàzanay fa Samaritanina Ianao sady ondranondranana?


Dia hoy ny Jiosy taminy: –Fantatray ankehitriny fa ondranondranana Ianao! Efa maty i Abrahama sy ireo mpaminanin’Andriamanitra, fa Ianao kosa milaza hoe: «Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy hanandrana fahafatesana izy na oviana na oviana.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra