«Halako ny fisaoram-bady sy ny fihosenana amin’ny herisetra, hoy ny TOMPO Andriamanitr’i Israely sady Tompon’izao rehetra izao. Koa dia mitandrema tena ianareo ary aza mandao vady.»
Marka 10:2 - DIEM PROTESTANTA Dia nisy Farisianina nanatona an’i Jesoa mba hamandrika Azy ka nanontany Azy hoe: –Azon’ny lehilahy atao ve ny manary vady? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nisy Fariseo maromaro nanatona Azy ka naka fanahy Azy sy nanontany hoe: Mahazo misaotra ny vadiny va ny lehilahy? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nisy Farisianina nanatona an’i Jesoa mba hamandrika Azy ka nanontany Azy hoe: –Azon’ny lehilahy atao ve ny manary vady? Baiboly Katolika Dia nanatona Azy ny Farisianina mba haka fanahy Azy ka nanontany hoe: «Mahazo misao-bady va ny lehilahy?». Baiboly Protestanta Malagasy Ary nisy Fariseo nanatona Azy, dia naka fanahy Azy ka nanontany hoe: Mahazo misao-bady va ny lehilahy? Malagasy Bible Ary nisy Fariseo nanatona Ary, dia naka fanahy Azy ka nanontany hoe: Mahazo misao-bady va ny lehilahy? La Bible en Malgache Ary nisy Fariseo* maromaro nanatona Azy ka naka fanahy Azy sy nanontany hoe: Mahazo misaotra ny vadiny va ny lehilahy? |
«Halako ny fisaoram-bady sy ny fihosenana amin’ny herisetra, hoy ny TOMPO Andriamanitr’i Israely sady Tompon’izao rehetra izao. Koa dia mitandrema tena ianareo ary aza mandao vady.»
Tamin’izay dia nanatona an’i Jesoa ny mpianany, ka nanao taminy hoe: –Fantatrao ve fa tezitra mafy ny Farisianina raha nandre izany teny izany?
Dia nohatonin’ny Farisianina sy ny Tsadoseanina i Jesoa. Te hamandrika Azy ry zareo ka nangataka Azy hanao famantarana ho porofo fa avy amin’Andriamanitra ny fahefàny.
Dia nisy Farisianina nanatona Azy mba hamandrika Azy ka nanontany hoe: –Azon’ny lehilahy atao ve ny manary vady na inona na inona antony?
Ary mpahay lalàna ny anankiray tamin’ireto Farisianina, ka mba hamandrihany an’i Jesoa no nanontaniany Azy hoe:
–Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy! Fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny vavahady mankao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra; ka ianareo tsy miditra, ary izay te hiditra tsy avelanareo hiditra. [
Ny Farisianina kosa niteny hoe: –Fahefana avy amin’ny filohan’ny demony ange no androahany ny demony e!
Nony niala teo i Jesoa, dia nankany amin’ny faritra antsisin’i Jodea, eny andafin’ny ony Jôrdàna. Ary tonga maro teo aminy indray ny olona, ka nampianariny toy ny fanaony.
Dia tonga ny Farisianina hiady hevitra amin’i Jesoa. Te hamandrika Azy ry zareo ka nangataka Azy hanao famantarana ho porofo fa avy amin’Andriamanitra ny fahefany.
Dia namepetra azy ireo i Jesoa nanao hoe: –Mbà malina ka mitandrema tsy ho voan’ny levioran’ny Farisianina sy ny levioran’i Herôda.
Fa hoy kosa ny Tompo taminy: –Ianareo Farisianina itony, diovinareo tsara ny etỳ ivelany hatramin’ny vohon’ny kaopy sy ny vilia; kanefa ny ao anatinareo feno halatra sy haratsiam-panahy.
Fatra-pitia vola ny Farisianina ka naneso an’i Jesoa nony nandre izany teny rehetra izany.
Nimonomonona ny Farisianina sy ireo mpahay lalàna mpomba azy ka nilaza tamin’ny mpianatr’i Jesoa hoe: –Ahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota?
ary nizaha taratra an’i Jesoa ireo mpahay lalàna sy Farisianina raha hanasitrana amin’ny andro sabata Izy mba hahitany antony hiampangana Azy.
Ny Farisianina sy ny mpahay lalàna kosa nitsipaka ny fikasan’Andriamanitra ka nandà tsy hataon’i Jôhany batisa.
Dia namory ny Fitsarana ambony ireo lohandoha-mpisorona sy ireo Farisianina ka nanao hoe: –Inona ity ataontsika, fa manao famantarana maro iny Lehilahy iny?
Ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina kosa efa nandidy fa raha misy olona nahalala izay itoeran’i Jesoa, dia tsy maintsy mampandre mba hisamborana Azy.
Ren’ny Farisianina ny vahoaka mitakoritsika ny amin’i Jesoa toy izany; ka naniraka mpiandry raharaha hisambotra Azy ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina.
Moa ve misy anankiray amin’ireo filohantsika na anankiray amin’ireo Farisianina mba nino Azy?
Nolazain’ireo izany hamandrihana Azy, mba hisy hiampangany Azy. Fa i Jesoa kosa niondrika, dia nanoratsoratra teo amin’ny tany tamin’ny rantsan-tanany.
Aoka isika tsy haka fanahy ny Tompo toy ny nataon’ny sasany tamin’ireny, izay maty voakaikitry ny bibilava.