Ary hoy i Jesoa taminy: –Tandremo ny milaza izao na amin’iza na amin’iza; fa mandehana miseho amin’ny mpisorona ary ento ny fanatitra voadidin’i Mosesy mba ho vavolombelona amin’ny olona fa madio ianao.
Marka 1:44 - DIEM PROTESTANTA nataony hoe: –Tandremo mihitsy ny milaza izao na amin’iza na amin’iza; fa mandehana miseho amin’ny mpisorona ary ento ny fanatitra voadidin’i Mosesy mba ho vavolombelona amin’ny olona fa madio ianao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 no niteny taminy hoe: Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin’iza na amin’iza izao, fa mandehana, misehoa aloha amin’ny mpisorona ka manolora ny fanatitra fanadiovana anao, izay nandidian’i Mosesy ho vavolombelona amin’ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara nataony hoe: –Tandremo mihitsy ny milaza izao na amin’iza na amin’iza; fa mandehana miseho amin’ny mpisorona ary ento ny fanatitra voadidin’i Mosesy mba ho vavolombelona amin’ny olona fa madio ianao. Baiboly Katolika nanao hoe: «Tandremo, aza milaza izany na amin’iza na amin’iza ianao, fa mandehana misehoa amin’ny mpisorona, ary noho ny nanadiovana anao dia manatera ny fanatitra nodidian’i Môizy, mba ho vavolombelona amin’ny vahoaka.» Baiboly Protestanta Malagasy ka nanao taminy hoe: Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin’iza na amin’iza; fa mandehana, misehoa amin’ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao, izay nandidian’i Mosesy, ho vavolombelona amin’ireo. Malagasy Bible ka nanao taminy hoe: Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin'iza na amin'iza; fa mandehana, misehoa amin'ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao, izay nandidian'i Mosesy, ho vavolombelona amin'ireo. La Bible en Malgache no niteny taminy hoe: Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin’iza na amin’iza izao, fa mandehana, misehoa aloha amin’ny mpisorona ka manolora ny fanatitra fanadiovana anao, izay nandidian’i Mosesy ho vavolombelona amin’ireo. |
Ary hoy i Jesoa taminy: –Tandremo ny milaza izao na amin’iza na amin’iza; fa mandehana miseho amin’ny mpisorona ary ento ny fanatitra voadidin’i Mosesy mba ho vavolombelona amin’ny olona fa madio ianao.
Nahita azy ireo i Jesoa ka nanao taminy hoe: –Ndeha miseho amin’ny mpisorona ianareo! Raha mbola teny an-dalana izy folo lahy, dia sitrana.
kanefa noraran’i Jesoa tsy hilazalaza na amin’iza na amin’iza sady nataony hoe: –Mandehana miseho amin’ny mpisorona ary ento ny fanatitra voalazan’i Mosesy, mba ho vavolombelona amin’ny olona fa madio ianao.
Dia nalefan’ny komandy handeha ilay tovolahy nony avy nofeperany hoe: –Aza lazalazaina amin’olona fa efa nambaranao ahy izany.
Eny, izay rehetra hitantsika ao amin’ny Soratra Masina dia voasoratra ho fampianarana antsika mba hananantsika ny fanantenana no ho ny faharetana sy ny fampaherezana avy amin’ny Soratra Masina.
Izany fahoriana rehetra izany dia nihatra tamin’izy ireny ho ohatra fananarana, ary natao an-tsoratra ho fampitandremana antsika izay mby eo an-katoky ny andro farany.