Marka 1:31 - DIEM PROTESTANTA Dia nanatona azy i Jesoa ka nandray ny tanany ary nampitsangana azy. Nialan’ny tazo ravehivavy, ka nandroso sakafo ho an’ireo vahiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nanatona Jesosy ka nandray ny tanany ary nampitsangana azy ka afaka ny tazony ary nanompo azy ireo izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nanatona azy i Jesoa ka nandray ny tanany ary nampitsangana azy. Nialan’ny tazo ravehivavy, ka nandroso sakafo ho an’ireo vahiny. Baiboly Katolika Dia nanatona nandray ny tanany i Jesoa sy nanarina azy, dia afaka ny tazony ka nandroso sakafo ho Azy izy. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nanatona Jesosy ka nandray ny tànany ary nanarina azy; dia afaka ny tazony, ka dia nanompo azy izy. Malagasy Bible Dia nanatona Jesosy ka nandray ny tànany ary nanarina azy; dia afaka ny tazony, ka dia nanompo azy izy. La Bible en Malgache Dia nanatona Jesosy ka nandray ny tanany ary nampitsangana azy ka afaka ny tazony ary nanompo azy ireo izy. |
Nisy vehivavy maro koa teo, nitazana avy teny lavidavitra teny: dia ireo niaraka tamin’i Jesoa hatrany Galilea ka nanampy Azy.
Ary nandry teo am-pandriana ny rafozambavin’i Simôna fa voan’ny tazo, ka nampahafantarina an’i Jesoa avy hatrany.
Nony hariva efa maty masoandro, dia nentin’ny olona teo amin’i Jesoa avokoa izay mety ho marary sy azon’ny demony.
Niaraka tamin’i Jesoa tany Galilea ireo vehivavy ireo, nanampy Azy tamin’izay nilainy; ary nisy vehivavy maro hafa koa izay niara-niakatra tamin’i Jesoa tany Jerosalema.
Dia noraisin’i Jesoa ny tanan’ilay zaza ka hoy Izy taminy: –Talità komỳ! (Izany hoe: «Razazavavy, mandidy anao Aho, mifohaza!»)
Nanolo-tanana azy kosa i Petera ka nampitsangana azy. Rehefa nantsoin’i Petera ny vahoakan’Andriamanitra tao Jôpa mbamin’ireo mpitondratena, dia Tabità velona soa aman-tsara no natolony azy ireo.