Dia nankany an-tanàna atao hoe Kafarnahòma i Jesoa mbamin’ireo mpianany efa-dahy; ary raha vao tonga ny sabata, dia niditra tao amin’ny sinagôga i Jesoa ka nampianatra tao.
Marka 1:29 - DIEM PROTESTANTA Vantany vao nivoaka ny sinagôga i Jesoa, dia niantrano tao amin-dry i Simôna sy i Andrea; niaraka taminy koa i Jakôba sy i Jôhany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa tamin’izay fotoana izay, raha niala avy tao amin’ny sinagoga izy ireo, dia niditra tao an-tranon’i Simona sy i Andrea ry Jesosy sy i Jakoba ary i Jaona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Vantany vao nivoaka ny sinagôga i Jesoa, dia niantrano tao amin-dry i Simôna sy i Andrea; niaraka taminy koa i Jakôba sy i Jôhany. Baiboly Katolika Raha vao nivoaka avy tao amin’ny sinagoga izy ireo, dia nankany an-tranon’i Simôna sy i Andre Izy sy i Jakôba ary i Joany. Baiboly Protestanta Malagasy ARY niaraka tamin’izay, raha nivoaka avy tao amin’ny synagoga izy, dia niditra tao an-tranon’i Simona sy Andrea Jesosy ary Jakoba sy Jaona. Malagasy Bible Ary niaraka tamin'izay, raha nivoaka avy tao amin'ny synagoga izy, dia niditra tao an-tranon'i Simona sy Andrea Jesosy ary Jakoba sy Jaona. La Bible en Malgache Fa tamin’izay fotoana izay, raha niala avy tao amin’ny sinagoga* izy ireo, dia niditra tao an-tranon’i Simona sy i Andrea ry Jesosy sy i Jakoba ary i Jaona. |
Dia nankany an-tanàna atao hoe Kafarnahòma i Jesoa mbamin’ireo mpianany efa-dahy; ary raha vao tonga ny sabata, dia niditra tao amin’ny sinagôga i Jesoa ka nampianatra tao.
Tamin’izay indrindra, tao amin’ny sinagôgan-dry zareo, dia nisy lehilahy azon’ny fanahy maloto
Ary nandry teo am-pandriana ny rafozambavin’i Simôna fa voan’ny tazo, ka nampahafantarina an’i Jesoa avy hatrany.
Fa hoy i Jesoa taminy: –Ny fosa manan-davaka; ny voro-manidina manana ny akany; fa ny Zanak’olona tsy mba manan-trano handriany sy hialany sasatra.