ny teniko dia toy ny afo mandoro, ary toy ny kanonta manorotoro vatolampy, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.
Marka 1:22 - DIEM PROTESTANTA Talanjona ny olona nihaino ny fampianarany, satria nampianatra azy tamin-pahefana i Jesoa, fa tsy tahaka ireo mpahay lalàna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia talanjona tamin’ny fampianarany ny olona, satria nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy fa tsy mba tahaka ny mpanoradalàna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Talanjona ny olona nihaino ny fampianarany, satria nampianatra azy tamin-pahefana i Jesoa, fa tsy tahaka ireo mpahay lalàna. Baiboly Katolika Dia gaga izy ireo tamin’ny fampianarany, satria nampianatra azy toy ny manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna. Baiboly Protestanta Malagasy Dia talanjona ny olona tamin’ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna. Malagasy Bible Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna. La Bible en Malgache Dia talanjona tamin’ny fampianarany ny olona, satria nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy fa tsy mba tahaka ny mpanoradalàna*. |
ny teniko dia toy ny afo mandoro, ary toy ny kanonta manorotoro vatolampy, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.
ary nankany amin’ny tanàna nahabe Azy. Nampianatra ny olona tao amin’ny sinagôga i Jesoa, hany ka talanjona ry zareo sady loa-bolana hoe: –Avy taiza re no nahazoan’ilay io izany fahendrena izany sy nahavitany ireny asa mahagaga ireny?
Tamin’izay indrindra, tao amin’ny sinagôgan-dry zareo, dia nisy lehilahy azon’ny fanahy maloto
Talanjona daholo ny olona nandre ity tovolahikely fa saina matotra no nasehony isak’izay niteny Izy.
satria Izaho ihany no hampiteny anareo sy hanome fahendrena anareo, ka tsy hahatohitra sady tsy haharesy lahatra anareo izay rehetra miampanga anareo.
kanefa tsy nahatohitra ny fahendrena avy amin’ny Fanahy Masina Izay nampiteny an’i Stefàna.
Efa nolavinay ny asa miafina mahamenatra, ka tsy manao zavatra amin-kafetsena izahay sady tsy manatsatso ny tenin’Andriamanitra; fa asehonay mazava tsara ny marina, ka eo imason’Andriamanitra dia tonga mendrika hitokian’ny fieritreretan’ny olona rehetra izahay.