Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 13:54 - DIEM PROTESTANTA

54 ary nankany amin’ny tanàna nahabe Azy. Nampianatra ny olona tao amin’ny sinagôga i Jesoa, hany ka talanjona ry zareo sady loa-bolana hoe: –Avy taiza re no nahazoan’ilay io izany fahendrena izany sy nahavitany ireny asa mahagaga ireny?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

54 Nony tonga tany amin’ny taniny Izy dia nampianatra ny olona tao amin’ny sinagogany, ary talanjona ny olona ka nilaza hoe: Avy taiza re no nahazoan’Ilehity izany fahendrena izany sy ireny fahagagana ireny?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

54 ary nankany amin’ny tanàna nahabe Azy. Nampianatra ny olona tao amin’ny sinagôga i Jesoa, hany ka talanjona ry zareo sady loa-bolana hoe: –Avy taiza re no nahazoan’ilay io izany fahendrena izany sy nahavitany ireny asa mahagaga ireny?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

54 ka nankany amin’ny tany nahabe azy, ary nampianatra tao amin’ny sinagoga; dia gaga ny olona ka nanao hoe: «Avy taiza àry no nahazoan’Izy io izany fahendrena sy hery izany?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

54 Ary nony tonga tany amin’ny taniny Izy, dia nampianatra ny olona tao amin’ny synagoga, ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Avy taiza re no nahazoan’Ilehity izany fahendrena sy asa lehibe izany?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

54 Ary nony tonga tany amin'ny taniny Izy, dia nampianatra ny olona tao amin'ny synagoga, ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Avy taiza re no nahazoan'ilehity izany fahendrena sy asa lehibe izany?

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 13:54
14 Rohy Ifampitohizana  

vonjeo tsy ho rotidrotiky ny liona, ary tsy ho voan’ireo tandrok’ombimanga. Dia namaly ny vavaka nataoko Ianao!


Ary nony tonga tany izy telo mianaka, dia niorim-ponenana tao amin’ny tanàna atao hoe Nazareta; koa tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminany hoe: «Hantsoina hoe Nazareanina Izy!»


Ary nitety an’i Galilea manontolo i Jesoa, ka nampianatra tany amin’ny sinagôgan-dry zareo ary nanao antso avo ny Vaovao Mahafaly momba ny Fanjakàn’ny lanitra sady nanasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra teo amin’ny vahoaka.


Rehefa vitan’i Jesoa izany teny izany, dia talanjona ny vahoaka noho ny fomba fampianarany;


Talanjona daholo ny olona nandre ity tovolahikely fa saina matotra no nasehony isak’izay niteny Izy.


Tonga teo amin’ny taniny Izy, fa tsy noraisin’ny mpiray firenena aminy.


Feno fahasahiana kosa i Paoly sy i Barnabà ka niteny taminy hoe: –Ianareo aloha no tsy maintsy nitoriana ny tenin’Andriamanitra. Nolavinareo anefa izany ary ohatra ny ataonareo ho tsy mendrika ny fiaina-maharitra mandrakizay ny tenanareo, koa indro hitodika hankany amin’ny hafa firenena izahay.


Gaga dia gaga ireo anisan’ny Fitsarana ambony raha nahita ny fahasahiana nasehon’i Petera sy i Jôhany: satria tandriny tokoa fa olona tsotra tsy nahita fianarana izy roa lahy, sady fantany fa olona niaraka tamin’i Jesoa;


Ary izay rehetra efa nahalala azy hatramin’izay, raha nahita azy tsindrian-daona miaraka amin’ny mpaminany, dia nifampanontany hoe: «Fa inona no nanjò ity zanakalahin’i Kisy? Lasa mpaminany koa angaha i Saoly?»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra