Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 1:18 - DIEM PROTESTANTA

Dia nilaozany avy hatrany ny haratony, ka lasa izy roa lahy niaraka tamin’i Jesoa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nandao ny harato niaraka tamin’izay izy ireo ka nanaraka Azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nilaozany avy hatrany ny haratony, ka lasa izy roa lahy niaraka tamin’i Jesoa.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy, ka nanaraka Azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nandao ny harato niaraka tamin’izay izy ka nanaraka Azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nandao ny harato niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nandao ny harato niaraka tamin’izay izy ireo ka nanaraka Azy.

Jereo ny toko



Marka 1:18
9 Rohy Ifampitohizana  

Dia nilaozany avy hatrany ny haratony ka lasa izy roa lahy niaraka tamin’i Jesoa.


Dia hoy i Jesoa taminy: –Andao hiaraka amiko fa hataoko mpanarato olona ianareo.


Ary nony nandroso kelikely i Jesoa, dia nahita an’i Jakôba sy i Jôhany mirahalahy, zanak’i Zebedeo. Nanamboatra ny haratony tao an-tsambokely izy roa lahy tamin’izay.


Ary nofaranan’i Jesoa hoe: –Dia toy izany koa àry, na iza na iza aminareo tsy mahafoy izay rehetra ananany, dia tsy afaka ho mpianatro!


Ary rehefa nampiantsona ny sambokely teo an-tanety i Simôna sy ny namany, dia nandao ny zavatra rehetra ka lasa niaraka tamin’i Jesoa.


Ary tsy ireo zavatra ireo ihany fa ny zavatra rehetra mihitsy no ataoko tsinontsinona noho ny amin’ilay zava-tsoa ambony lavitra, dia ny fahalalana an’i Kristy Jesoa Tompoko. Noho ny amin’i Kristy, dia nataoko tsinontsinona ny zavatra rehetra ary noheveriko ho fakofako mba hahazoako an’i Kristy