Indro ny mpanompoko izay tohanako, ilay voafidiko sady ankasitrahiko. Napetrako tao aminy ny Fanahiko mba hamoahany ny lamina ara-drariny ho an’ny firenena.
Marka 1:10 - DIEM PROTESTANTA Vantany vao niakatra avy ao anaty rano i Jesoa, dia nahita ny lanitra nitriatra sy ny Fanahy Masina nidina teo aminy tahaka ny voromahailala. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary raha vao niakatra avy tao anaty rano Izy dia hitany ny lanitra nisokatra ary ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala ka nankeo Aminy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Vantany vao niakatra avy ao anaty rano i Jesoa, dia nahita ny lanitra nitriatra sy ny Fanahy Masina nidina teo aminy tahaka ny voromahailala. Baiboly Katolika Raha vao niala avy tao anaty rano Izy, dia nahita ny lanitra nisokatra, sy ny Fanahy Masina nidina tahaka ny voromahailala, nankeo amboniny; Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha vao niakatra avy teo amin’ny rano Izy, dia hitany ny lanitra nisokatra, ary ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny. Malagasy Bible Ary raha vao niakatra avy teo amin'ny rano Izy, dia hitany ny lanitra nisokatra, ary ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny. La Bible en Malgache Ary raha vao niakatra avy tao anaty rano Izy dia hitany ny lanitra nisokatra ary ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala ka nankeo Aminy. |
Indro ny mpanompoko izay tohanako, ilay voafidiko sady ankasitrahiko. Napetrako tao aminy ny Fanahiko mba hamoahany ny lamina ara-drariny ho an’ny firenena.
Ho toy ny afo mampirehitra kitay rantsan-kazo na mampangotraka rano anie Ianao; ka ho fantatry ny fahavalonao ny lazanao ary hangovitra eo anatrehanao ny firenen-kafa,
Tamin’ny fahatelopolon-taonako, fony andro fahadimin’ny volana fahefatra, izaho Ezekiela zanakalahin’i Bozỳ mpisorona dia tao anivon’ireo Jiosy babo teo amoron’ny ony Kebara; nisokatra ny lanitra ary nahita fahitana avy tamin’Andriamanitra aho. Taona fahadimy taorian’ny naha lasan-ko babo an’i Jôiakina mpanjaka tamin’izay. Koa teo amoron’io ony Kebara tany amin’ny tanin’ny Babilônianina io, no nisy tenin’ny TOMPO tamiko, sady nihazona ahy tamin’ny heriny IZY.
Nony vita batisa i Jesoa, dia niala avy hatrany tao anaty rano. Ary indro nisokatra tamin’i Jesoa ny lanitra ka hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromahailala nankeo amboniny.
Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Ianao no Zanako, ilay Malalako; Ianao no sitrako.
Tamin’izany andro izany, dia tonga avy any Nazareta tanàna any Galilea i Jesoa ary nataon’i Jôhany batisa tao Jôrdàna.
Dia nidina teo ambonin’i Jesoa ny Fanahy Masina, niendri-batana toa voromahailala; sady nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Ianao no Zanako, ilay Malalako; Ianao no sitrako!