Izany no hampiharako loza amin’ny fianakavianao, ry Jerôbohama; ka handringanako ny lehilahy rehetra amin’ny taminganao na zaza na olon-dehibe manerana an’i Israely, ary hofafako tanteraka toy ny famafa fako ny sisa amin’ny fianakavianao.
Malakia 2:3 - DIEM PROTESTANTA Efa mandrahona sahady ny taranakareo Aho; ianareo kosa hamafazako tain-droroha eny an-tavanareo, dia ny tain-drorohan’ireo biby nataonareo sorona tamin’ny andro fety; ary hoesorina miaraka aminy koa ianareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Indro, hasiako teny mafy ny voa afafinareo ary hofafazako tain-droroha ny tavanareo, dia ny tain-droroha avy amin’ny andro firavoravoanareo; ary hailika miaraka aminy ianareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Efa mandrahona sahady ny taranakareo Aho; ianareo kosa hamafazako tain-droroha eny an-tavanareo, dia ny tain-drorohan’ireo biby nataonareo sorona tamin’ny andro fety; ary hoesorina miaraka aminy koa ianareo. Baiboly Katolika Indro hataoko tsy maniry ny voa afafy, afafiko amin’ny tavanareo ny tain-drorona, dia ny tain-drorohan’ny fetinareo, ka hailiky ny olona miaraka amin’izany ianareo. Baiboly Protestanta Malagasy Indro, hasiako teny mafy ny voa afafinareo, ary hofafazako tain-droroha ny tavanareo, dia ny tain-droroha avy amin’ny andro firavoravoanareo; ary hailika miaraka aminy hianareo. Malagasy Bible Indro, hasiako teny mafy ny voa afafinareo, ary hofafazako tain-droroha ny tavanareo, dia ny tain-droroha avy amin'ny andro firavoravoanareo; ary hailika miaraka aminy ianareo. La Bible en Malgache Indro, hasiako teny mafy ny voa afafinareo ary hofafazako tain-droroha ny tavanareo, dia ny tain-droroha avy amin’ny andro firavoravoanareo; ary hailika miaraka aminy ianareo. |
Izany no hampiharako loza amin’ny fianakavianao, ry Jerôbohama; ka handringanako ny lehilahy rehetra amin’ny taminganao na zaza na olon-dehibe manerana an’i Israely, ary hofafako tanteraka toy ny famafa fako ny sisa amin’ny fianakavianao.
dia ho levona mandrakizay toy ny dikiny izy; ary izay nahita azy dia hanontany hoe: «Mba aiza àry izy?»
Nofidiny ny zaratany holovanay ka izany no ireharehanay, satria izahay taranak’i Jakôba dia vahoaka tiany tokoa. Fiatoana
Andriamanitra ô, ataovy tahaka an’i Siserà ireo, ataovy tahaka an’i Siserà sy i Jabîna teo amin’ny renirano Kisôna, na ataovy tahaka ny Midianita
Ho sorona fanalana ny otan’ny mpisorona izany. Fa ny sisa rehetra amin’ilay ombilahy kosa, toy ny henany, ny hoditra mbamin’ny tain-drorohany, dia dory amin’ny afo any ivelan’ny toby.
ka avela hiparitaka eo anatrehan’ny masoandro sy ny volana ary ny andian-kintana eny amin’ny lanitra izay notiavin’ireny olona ireny ka nivavahany sy niraiketany, ary nanontaniany hilan-kevitra sy niankohofany. Tsy hangonina na halevina intsony ireo taolana ireo fa ho tonga zezika eny ambonin’ny tany.
Simba ny saha, misaona ny tany fambolena; satria levona ny vary, maina ny voaloboka ary malazo ny ôliva.
Maina tao ambanin’ny bainga ny voa; foana ny sompitra, mirodana ny trano fitehirizana fa tsy misy intsony ny vary.
dia izao no hataoko anareo: loza mampivarahontsana no halefako hamelezana anareo, dia areti-mahasaozanina sy tazo mahery izay mahalali-maso sy mandreraka aina anareo; ary hafafinareo foana ny voa famafinareo, fa ny fahavalonareo no hihinana azy.
Koa dia hampirisihiko ny vahoakan’i Israely rehetra haniratsira sy hanao tsinontsinona anareo, satria tsy nitandrina ny sori-dalako ianareo sady nizaha tavan’olona tamin’izay fanapahan-kevitrareo».
Fa sady tsy mahasoa tany no tsy mahasoa zezika intsony ka dia ariam-potsiny. Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino!
raha endrikendrehina, dia mamaly teny malefaka. Mova tsy tonga fakofakon’izao tontolo izao sy faraidin’ny olona rehetra izahay, mandraka ankehitriny.
Voan-javatra betsaka no hoentinareo hafafy any an-tsaha, fa kely kosa no vokatra hangoninareo, satria ho lanin’ny valala ireny.