16 dia izao no hataoko anareo: loza mampivarahontsana no halefako hamelezana anareo, dia areti-mahasaozanina sy tazo mahery izay mahalali-maso sy mandreraka aina anareo; ary hafafinareo foana ny voa famafinareo, fa ny fahavalonareo no hihinana azy.
16 dia izao no hataoko aminareo: Hasiako fampitahorana aminareo, dia aretina mahasaozanina sy tazo mahamay izay manimba ny maso sy mandany ny aina; ary hafafinareo foana ny voan-javatrareo fa ny fahavalonareo no hihinana azy.
16 dia izao no hataoko anareo: loza mampivarahontsana no halefako hamelezana anareo, dia areti-mahasaozanina sy tazo mahery izay mahalali-maso sy mandreraka aina anareo; ary hafafinareo foana ny voa famafinareo, fa ny fahavalonareo no hihinana azy.
16 dia izao no hataoko aminareo: hanirahako tebiteby sy areti-mihinana ary tazo ianareo, izay hahalali-maso anareo, sy handreraka aina anareo; hafafinareo foana ny voa afafinareo, fa ny fahavalonareo no hihinana azy.
16 Izaho kosa dia hanao izao aminareo: hanisy fampitahorana aminareo Aho, dia areti-maha-sahozanina sy tazo mahamay, izay manimba ny maso sy mandany ny aina; ary hafafinareo foana ny voan-javatrareo, fa ny fahavalonareo no hihinana azy.
16 Izaho kosa dia hanao izao aminareo hanisy fampitahorana aminareo Aho, dia areti-mahasahozanina sy tazo mahamay, izay manimba ny maso sy mandany ny aina; ary hafafinareo foana ny voan-javatrareo, fa ny fahavalonareo no hihinana azy.
16 dia izao no hataoko aminareo: Hasiako fampitahorana aminareo, dia aretina mahasaozanina sy tazo mahamay izay manimba ny maso sy mandany ny aina; ary hafafinareo foana ny voan-javatrareo fa ny fahavalonareo no hihinana azy.
«Mety hisy mosary eto amin’ity tany ity na areti-mandringana, mety ho mainan’ny rivotra na ho lo am-potony ny vary, na koa hisy andiam-balala sy sompanga tonga; mety hisy fahavalo manao fahirano ireo Israelita ao amin’ny tanàna anankiray, na koa hipoitra ny fahoriana aman’areti-mifindra isan-karazany.
Hoy Izy taminy: «Raha ankatoavinareo tokoa Aho TOMPO Andriamanitrareo, ka ataonareo izay heveriko ho marina, raha henoinareo ny didiko, ka tandremanareo ny fitsipiko dia tsy hisy hataoko aminareo ny aretina rehetra izay namelezako ny Ejiptianina, satria Izaho no TOMPO Izay manasitrana anareo.»
Dia nataon’ny TOMPO izao fianianana izao: «Araka ny hery amam-pahefana feno ananako, dia mianiana aminao Aho, ry vahoakako, fa tsy hamela ny vary novolenao ho sakafon’ny fahavalonao intsony, ary tsy hamela ny divay nisasaranao hosotroin’ny vahiny intsony;
Dia nampandrenesina i Ahaza, taranak’i Davida, sy ny tao an-dapany fa efa mitoby any Efraîma ny Sirianina. Koa taitra ny fon’ny mpanjaka sy ny an’ny vahoakany, tahaka ny hazo any an’ala rehefa tsofin’ny rivotra.
Vary no nafafinareo nefa tsilo no jinjainareo. Nisahirana mafy ny tenanareo fa tsy nisy tombontsoa akory izany. Aoka ho menatra ianareo amin’ny vokatra azonareo! Fa ny fahatezeran’ny TOMPO no mirehitra mamely anareo.
Ny mpitondratenany dia nohamaroiko noho ny fasika amoron-dranomasina. Na dia mitataovovonana aza ny andro, dia nitondrako mpandringana tao aminy handripaka ny renin’ireo zatovo mpiantafika ary nazerako tampoka teo aminy ny hovitra noho ny tahotra
Satria izao no lazain’ny TOMPO: «Indro hatolotro ho amin’ny fihorohoroana ianao sy ny namanao rehetra. Ho fatin’ny sabatry ny fahavalony manko ireo namanao; ary ny masonao no hahita izany. Hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna ny vahoakan’i Joda rehetra ka hoentiny ho babo any Babilôna na hovonoiny ho faty amin’ny sabatra.
Tapitra haripak’io firenena io avokoa ny vokatrareo sy ny mofonareo, ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy, ny omby sy ondry aman’osinareo, ary ny voalobokareo sy ny aviavinareo. Horavany amin’ny ady ny tanànamimanda izay noheverinareo hitokiana.
«Ry ilay taranak’olombelona, mitenena amin’ny Israelita izay milaza hoe: ‹Vesaran’ny fahadisoanay sy ny fahotanay izahay, ka mila ho levona mihitsy. Koa ahoana moa no hahavelomanay?›
Namafy be ianareo nefa kely no jinjainareo; mihinana ianareo nefa tsy voky ary misotro nefa tsy afa-po; mitafy ianareo nefa tsy mafana; ary ny karaman’ny mpiasa dia mora lany toy ny amin’ny kitapo loaka.»
Ary izao no aretim-be hamelezan’ny Tompo ny firenen-drehetra izay niady tamin’i Jerosalema: ho simba nofo dieny mbola velona ny olona, ho levona ho azy ao amin’ny fitoerany ny masony, ho tahaka izany koa ny lela ao am-bavany.
hihinana ny vokatry ny fiompianareo sy ny vokatry ny taninareo, mandra-paharinganareo. Tsy havelany ho anareo na vary, na divay, na ny zanak’omby sy ondry aman’osinareo, mandra-pahafongony anareo.
Eny ivelany, dia ny sabatra no handringana; ao an-trano, dia ny tahotra no hahafaty. Ka samy hiharan’izany avokoa na zatovolahy na zatovovavy na zazakely na beantitra.»
Nefa dia hotanako ihany ny iray amin’ny taranakao ho eo anilan’ny alitarako mba hokikisan’ny fialonana sy ny fahoriam-panahy izy; fa ny sisa rehetra kosa dia ho faty tanora.