Dia nisain’i Salômôna avokoa ny lehilahy hafa firenena izay nonina tao amin’ny tanin’i Israely; araka ny nanisan’i Davida rainy azy, dia nisy 153 000 izy ireo.
Josoa 9:27 - DIEM PROTESTANTA Tamin’izany andro izany koa no nanolorany azy ho mpaka kitay sy ho mpantsaka rano ho an’ny Israelita sy ho an’ny alitaran’ny TOMPO eo amin’ny toerana izay hofidin’Izy TOMPO. Ary mbola manohy izany raharaha izany mandraka androany ry zareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’izany andro izany dia natolotr’i Josoa ireo ho mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano ho an’ny fiangonana sy ho an’ny alitaran’NY TOMPO mandraka androany, eo amin’ny tany izay hofidiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izany andro izany koa no nanolorany azy ho mpaka kitay sy ho mpantsaka rano ho an’ny Israelita sy ho an’ny alitaran’ny TOMPO eo amin’ny toerana izay hofidin’Izy TOMPO. Ary mbola manohy izany raharaha izany mandraka androany ry zareo. Baiboly Katolika Hatramin’izay andro izay ihany, dia naraikitr’i Jôsoe izy ho mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an’ny fiangonana sy ny ôtelin’i Iaveh any amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh, ary mbola nanao izany mandraka androany izy. Baiboly Protestanta Malagasy Dia natolotr’i Josoa tamin’izany andro izany ireo ho mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano ho an’ny fiangonana sy ho an’ny alitaran’i Jehovah mandraka andro-any, eo amin’ny tany izay hofidiny. Malagasy Bible Dia natolotr'i Josoa tamin'izany andro izany ireo ho mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano ho an'ny fiangonana sy ho an'ny alitaran'i Jehovah mandraka androany eo amin'ny tany izay hofidiny. La Bible en Malgache Tamin’izany andro izany dia natolotr’i Josoa ireo ho mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano ho an’ny fiangonana sy ho an’ny alitaran’NY TOMPO mandraka androany, eo amin’ny tany izay hofidiny. |
Dia nisain’i Salômôna avokoa ny lehilahy hafa firenena izay nonina tao amin’ny tanin’i Israely; araka ny nanisan’i Davida rainy azy, dia nisy 153 000 izy ireo.
Hakanao hetra ho AHY anefa ny anjaran’ireo mpiantafika, dia olona iray isaky ny olona dimanjato ary biby iray isaky ny biby dimanjato raha omby na boriky na ondry na osy izany.
Ary ny anjaran’ny Israelita kosa dia hakanao olona iray isaky ny olona dimampolo ary biby iray isaky ny biby dimampolo raha omby na boriky na ondry na osy na koa biby hafa rehetra, ka homenao ny Levita izay miandraikitra ny fanompoana ao amin’ny Fonena-masina.
Tamin’ny anjara nomena ny Israelita dia nangalan’i Mosesy olona iray isaky ny olona dimampolo, ary biby iray isaky ny biby dimampolo; koa araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy dia nomeny ny Levita izay miandraikitra ny fanompoana momba ny Fonena-masin’ny TOMPO izany.
Amin’izay, ilay toerana hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo hipetrahan’ny voninahiny no hitondranareo ny zavatra rehetra nandidiako anareo: dia ny sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana ataonareo, ny fahafolon-karenareo, ny fitia tsy mba hetra foinareo, ny zavatra rehetra voafantinareo mba hanalana ny voadinareo tamin’ny TOMPO.
fa ilay toerana nofidin’ny TOMPO amin’ny fokonareo anankiray ihany no hanoloranareo ireny, sady hanaovanareo koa ny zavatra rehetra nandidiako anareo.
satria ilay toerana hofidiny eo amin’ny fokonareo rehetra mba honenany sy hipetrahan’ny voninahiny no hitadiavanareo Azy, ao ihany no halehanareo.
Havelantsika ho velona izy nefa kosa ho tonga mpaka kitay sy mpantsaka rano ho antsika. Izany no soso-kevitr’ireo loholom-piangonana israelita.
Dia izao no nataon’i Josoa tamin’ny Gibehônita: narovany tsy hovonoin’ny Israelita ireo.