dia nanao akoran’ady ny miaramila jodeanina; koa tamin’izay no namelezan’Andriamanitra an’i Jerôbohama sy ny Israelita tavaratra rehetra teo anoloan’i Abià sy ny Jodeanina.
Josoa 6:20 - DIEM PROTESTANTA Dia nitsoka trompetra ny mpisorona. Ka raha vao nandre ny feon-trompetra ny vahoaka, dia nanezaka mafy nanao akoran’ady; koa nirodana tamin’izay ny manda. Dia niakatra hamely tao an-tanàna samy araka ny tandrifiny avy ny Israelita ka naka ny tanàna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nanakora ny olona ary notsofina ny anjomara; nony ren’ny vahoaka ny feon’ny anjomara dia nanakora mafy izy ka nirodana tamin’izay ny manda, ary niakatra tao an-tanàna ny olona sady samy nizotra tamin’izay hitsiny avy ka azo ny tanàna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nitsoka trompetra ny mpisorona. Ka raha vao nandre ny feon-trompetra ny vahoaka, dia nanezaka mafy nanao akoran’ady; koa nirodana tamin’izay ny manda. Dia niakatra hamely tao an-tanàna samy araka ny tandrifiny avy ny Israelita ka naka ny tanàna. Baiboly Katolika Dia nanakora ny vahoaka, ary nitsoka trômpetra ny mpisorona. Nony nandre ny feon’ny trômpetra ny vahoaka dia nanakora mafy dia mafy, ary nirodana ny manda; koa samy niakatra ny tanàna tamin’ny hitsiny avy ny vahoaka. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nanakora ny olona, ary notsofina ny anjomara; ary nony ren’ny vahoaka ny feon’ny anjomara, dia nanakora mafy izy, ka nirodana tamin’izay ny mànda, ary niakatra tao an-tanàna samy nizotra tamin’izay hitsiny avy ny olona, ka afaka ny tanàna. Malagasy Bible Dia nanakora ny olona, ary notsofina ny anjomara; ary nony ren'ny vahoaka ny feon'ny anjomara, dia nanakora mafy izy, ka nirodana tamin'izay ny manda, ary niakatra tao an-tanàna samy nizotra tamin'izay hitsiny avy ny olona, ka afaka ny tanàna. La Bible en Malgache Dia nanakora ny olona ary notsofina ny anjomara; nony ren’ny vahoaka ny feon’ny anjomara dia nanakora mafy izy ka nirodana tamin’izay ny manda, ary niakatra tao an-tanàna ny olona sady samy nizotra tamin’izay hitsiny avy ka azo ny tanàna. |
dia nanao akoran’ady ny miaramila jodeanina; koa tamin’izay no namelezan’Andriamanitra an’i Jerôbohama sy ny Israelita tavaratra rehetra teo anoloan’i Abià sy ny Jodeanina.
Izany andro izany no handrenesana ny miaramila hitsoka trompetra sy hanao akoran’ady hamelezana ireo tanàna mimanda sy ny tilikambo avo eny amin’ny zorony.
Finoana no nampirodana ny mandan’i Jerikao, nony efa nohodidinin’ny Israelita nandritra ny fito andro.
Rehefa re manao feo lavareny ny trompetra, dia hanakora mafy ny vahoaka rehetra ka hirodana amin’izay ny mandan’ny tanàna; ary hiakatra hamely samy araka ny tandrifiny avy ny Israelita.
Raha vantany vao tonga tao an-toby ny Vatamasin’ny TOMPO, dia nanao horakoraka mafy ny miaramila israelita rehetra ka nampihozona ny tany.