Ary mba hanampian’Andriamanitra ny levita izay nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, dia notolorana sorona ombilahy fito sy ondrilahy fito Izy.
Josoa 6:13 - DIEM PROTESTANTA Ny mpisorona fito mpitondra trompetra no nandroso sady nitsoka trompetra teo alohan’ny Vatamasina. Ny andian-tafika mpamaky lay nialoha ireo mpisorona ireo ary ny vodilalana kosa nanaraka ny Vatamasina. Teny am-pandehanana dia notsofina hatrany ny trompetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny mpisorona fito izay nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia nandeha sady nitsoka ny anjomara; ny olona efa voaomana hiady dia nandeha teo alohany; ary ny vodilalana kosa dia nanaraka ny vata misy NY TOMPO; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny mpisorona fito mpitondra trompetra no nandroso sady nitsoka trompetra teo alohan’ny Vatamasina. Ny andian-tafika mpamaky lay nialoha ireo mpisorona ireo ary ny vodilalana kosa nanaraka ny Vatamasina. Teny am-pandehanana dia notsofina hatrany ny trompetra. Baiboly Katolika Niainga ny mpisorona fito nitondra ny trômpetra fito mafy faneno, teo alohan’ny fiaran’i Iaveh ary nitsoka ny trômpetra. Ny lehilahy àry fiadina nandeha teo alohan’ireo, ary ny vodilalana nanarakaraka ny fiaran’i Iaveh. Teo am-pandehanana dia notsofina ny trômpetra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny mpisorona fito izay nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan’ny fiaran’i Jehovah dia nandeha mandrakariva ka nitsoka ny anjomara; ary ny olona efa voaomana hiady dia nandeha teo alohany; ary ny vodi-làlana kosa dia nanaraka ny fiaran’i Jehovah; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara. Malagasy Bible Ary ny mpisorona fito izay nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan'ny fiaran'i Jehovah dia nandeha mandrakariva ka nitsoka ny anjomara; ary ny olona efa voaomana hiady dia nandeha teo alohany; ary ny vodi-lalana kosa dia nanaraka ny fiaran'i Jehovah; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara. La Bible en Malgache Ary ny mpisorona fito izay nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia nandeha sady nitsoka ny anjomara; ny olona efa voaomana hiady dia nandeha teo alohany; ary ny vodilalana kosa dia nanaraka ny vata misy NY TOMPO; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara. |
Ary mba hanampian’Andriamanitra ny levita izay nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, dia notolorana sorona ombilahy fito sy ondrilahy fito Izy.
Ny fanevan’i Dàna mbamin’ny antokon-tafiny no nanainga farany. Izy ireo no vodilaharana; ny tafiky ny taranak’i Dana dia notarihin’i Ahihezera, zanakalahin’i Hamisaday;
Ary aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika, satria hijinja amin’ny fotoanandro isika raha tsy kivy.
Nifoha vao maraina be i Josoa ny ampitso ary nolanjain’ny mpisorona indray ny Vatamasin’ny TOMPO.
Tamin’io andro faharoa io dia nanodidina ny tanàna indray mandeha koa ry zareo, vao niverina tany an-toby. Enina andro no nanaovany toy izany.
ka mpisorona fito samy mitondra trompetra iray avy no hialoha ny Vatamasina. Amin’ny andro fahafito dia hodidino impito ny tanàna, ary mandritra izany aoka ny mpisorona hitsoka ny trompetrany.
Ny andian-tafika mpamaky lay no nialoha ireo mpisorona ireo ary ny vodilalana kosa nanaraka ny Vatamasina. Teny am-pandehanana, dia notsofina hatrany ny trompetra.