Josoa 24:5 - DIEM PROTESTANTA Tatỳ aoriana, dia naniraka an’i Mosesy sy i Aharôna Aho ka namely an’i Ejipta araka izay efa nataoko teo aminy; rehefa izany vao nasaiko navoaka ny razanareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia naniraka an’i Mosesy sy i Arona Aho ka namely an’i Ejipta, araka izay nataoko teo aminy; ary rehefa afaka izany dia nitondra anareo nivoaka avy tany Aho. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tatỳ aoriana, dia naniraka an’i Mosesy sy i Aharôna Aho ka namely an’i Ejipta araka izay efa nataoko teo aminy; rehefa izany vao nasaiko navoaka ny razanareo. Baiboly Katolika Taorian’izany dia nirahiko i Môizy sy i Aarôna ary nasiako i Ejipta araka izay nataoko teo afovoany; ary raha efa izany dia nentiko nivoaka ianareo. Baiboly Protestanta Malagasy Dia naniraka an’i Mosesy sy Arona Aho ka namely an’i Egypta, araka izay nataoko teo aminy; ary rehefa afaka izany, dia nitondra anareo nivoaka Aho. Malagasy Bible Dia naniraka an'i Mosesy sy Arona Aho ka namely an'i Egypta, araka izay nataoko teo aminy; ary rehefa afaka izany, dia nitondra anareo nivoaka Aho. La Bible en Malgache Dia naniraka an’i Mosesy sy i Arona Aho ka namely an’i Ejipta, araka izay nataoko teo aminy; ary rehefa afaka izany dia nitondra anareo nivoaka avy tany Aho. |
Niala avy tao an-tanàna Rahamsesa ny Israelita ka nizotra ho any Sokôta; lehilahy mahery misy andiany eninjato eo ho eo no isany, afa-tsy ny zaza amam-behivavy sy ny antitra.
Nony nifarana ny 430 taona, dia tamin’io andro io indrindra no nivoaka am-pilaminana avy tao Ejipta ny vahoakan’ny TOMPO.
Ka tamin’io andro io indrindra no navoakan’ny TOMPO tamim-pilaminana avy tany Ejipta ny Israelita.
Koa izao ankehitriny izao dia irahiko ho any amin’ny Farao ianao. Mandehana, avoahy hiala avy any Ejipta ny Israelita vahoakako.
Koa nandeha niteny tany amin’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, i Mosesy sy i Aharôna mba handefasany ny Israelita hiala amin’ny taniny.
Ary nony navoakako avy tany Ejipta ny razanareo, dia tonga teo amin’ny Ranomasin’ny Volotara; nefa ny Ejiptianina nanenjika azy hatreo an-kalesy sy an-tsoavaly.