Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 22:34 - DIEM PROTESTANTA

Ary hoy kosa ny Reobenita sy Gadîta hoe: –Ity alitara ity no vavolombelona aminay sy aminareo fa ny TOMPO no Andriamanitra. Dia nataony hoe «Vavolombelona» no anaran’izany alitara izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nasian’ny taranak’i Robena sy i Gada anarana ilay alitara, fa vavolombelona ho amintsika roa tonta io fa NY TOMPO no Andriamanitra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary hoy kosa ny Reobenita sy Gadîta hoe: –Ity alitara ity no vavolombelona aminay sy aminareo fa ny TOMPO no Andriamanitra. Dia nataony hoe «Vavolombelona» no anaran’izany alitara izany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nomen’ny tarana-dRobena sy ny taranak’i Gada anarana hoe: «Ed» ilay ôtely, satria io, hoy izy, no vavolombelona amintsika roa tonta fa i Iaveh no Andriamanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nasian’ny taranak’i Robena sy Gada anarana ilay alitara–fa vavolombelona ho amintsika roa tonta io fa Jehovah no Andriamanitra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nasian'ny taranak'i Robena sy Gada anarana hoe Edy ilay alitara fa vavolombelona ho amintsika roa tonta io fa Jehovah no Andriamanitra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nasian’ny taranak’i Robena sy i Gada anarana ilay alitara, fa vavolombelona ho amintsika roa tonta io fa NY TOMPO no Andriamanitra.

Jereo ny toko



Josoa 22:34
8 Rohy Ifampitohizana  

Nantsoin’i Labàna hoe Jegara-Sahadotà io toerana io, fa i Jakôba kosa nanao azy hoe Galeheda.


Ary izao no nambaran’i Labàna: –Ity antontam-bato ity dia vavolombelona eo amiko sy aminao androany. Izany no niantsoana azy ho Galeheda, izany hoe antontam-bato vavolombelona.


Raha nahita izany ny Israelita rehetra, dia niankohoka nitehi-tany ka nanao hoe: «Ny TOMPO no tena Andriamanitra. Ny TOMPO no tena Andriamanitra!»


Amin’izany andro izany, dia hisy alitara iray hatokana ho an’ny TOMPOn’izao rehetra izao ao afovoan’ny tany Ejipta ary tsangambato iray ho an’ny TOMPO any amin’ny sisintaniny.


Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Ianareo vahoakako no vavolombeloko, ianareo no mpanompoko izay nofidiko mba hahafantaranareo sy hitokianareo Ahy ary hahatakaranareo ny maha Izaho Ahy; talohako dia tsy nisy Andriamanitra ary tsy hisy handimby Ahy aoriako.


Tamin’izay dia hoy i Jesoa taminy: –Mialà, ry Satàna, satria izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Ny Tompo Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery no hivavahanao!»


ho vavolombelona aminay sy aminareo ary amin’ny taranatsika mifandimby kosa io alitara io fa zonay ny hanao fanompoana eo anatrehan’ny TOMPO amin’ny fanolorana sorona dorana manontolo sy fanatitra hohanina ary sorom-pihavanana. Amin’izay ny taranakareo, any aoriana any, dia tsy ho afa-milaza amin’ny taranakay hoe: «Tsy misy anjaranareo amin’ny TOMPO».


Avy eo dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka rehetra: –Jereonareo ity vato ity fa izy no ho vavolombelona amintsika satria efa nandre ny teny rehetra nolazain’ny TOMPO tamintsika; ary ho vavolombelona aminareo koa izy mba tsy hivadihanareo amin’Andriamanitrareo!