Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 22:30 - DIEM PROTESTANTA

Rehefa ren’i Pinehasa mpisorona sy ireo loholom-piangonana (izany hoe ireo Israelita mpifehy arivo tafaraka taminy) ny teny izay nambaran’ny Reobenita sy Gadita ary Manasita, dia nahafa-po azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rehefa ren’i Finehasa mpisorona sy ny lohan’ny fiangonana, dia ny mpifehy arivo tamin’Israely izay niaraka taminy, ny teny izay nolazain’ny taranak’i Robena sy i Gada ary ny taranak’i Manase, dia nankasitrahany izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Rehefa ren’i Pinehasa mpisorona sy ireo loholom-piangonana (izany hoe ireo Israelita mpifehy arivo tafaraka taminy) ny teny izay nambaran’ny Reobenita sy Gadita ary Manasita, dia nahafa-po azy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nony ren’i Finea, mpisorona sy ny lohan’ny fiangonana, mpifehy ny isan’arivon’i Israely izay niaraka taminy ny teny nolazain’ny tarana-dRobena, sy ny taranak’i Gada ary ny taranak’i Manase dia afa-po izy ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary rehefa ren’i Finehasa mpisorona sy ny lohan’ny fiangonana, dia ny mpifehy arivo tamin’ny Isiraely, izay niaraka taminy, ny teny izay nolazain’ny taranak’i Robena sy Gada ary ny taranak’i Manase, dia sitrany izany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary rehefa ren'i Finehasa mpisorona sy ny lohan'ny fiangonana, dia ny mpifehy arivo tamin'ny Isiraely, izay niaraka taminy, ny teny izay nolazain'ny taranak'i Robena sy Gada ary ny taranak'i Manase, dia sitrany izany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rehefa ren’i Finehasa mpisorona sy ny lohan’ny fiangonana, dia ny mpifehy arivo tamin’Israely izay niaraka taminy, ny teny izay nolazain’ny taranak’i Robena sy i Gada ary ny taranak’i Manase, dia nankasitrahany izany.

Jereo ny toko



Josoa 22:30
11 Rohy Ifampitohizana  

Hitan’i Hesao kosa tamin’izay fa tsy nahafaly an’i Itsehàka rainy ireo zazavavy kanahanita.


Sitraky ny amperôra sy ireo minisitra ny torohevitr’i Memokàna, ka dia narahin’i Kserksesa.


Famaliana am-pitiavana mampitony hatezerana; fa teny mitratreva kosa mahatonga havinirana.


Nony nandre izany ireo mpino jiosy, dia nitony ary nanome voninahitra an’Andriamanitra ka nanao hoe: –Marina fa nomen’Andriamanitra ny hafa firenena ihany koa ny hiala amin’ny toe-dratsy mba hahazoany fiainana.


Sanatria aminay mihitsy ny hikomy amin’ny TOMPO na hiala amin’ny fanarahana AZY ankehitriny, ka hanorina alitara mba hanolorana sorona dorana manontolo na fanatitra hohanina na sorona hafa. Eo amin’ny alitaran’ny TOMPO Andriamanitray, dia ilay alitara manoloana ny fonena-masiny ihany, no hanoloranay ireny.


Koa hoy i Pinehasa, zanakalahin’i Elehazara mpisorona, tamin’izy telo tonta: –Ankehitriny dia fantatray fa eto afovoantsika ny TOMPO satria tsy nahavita izany fahadisoana izany taminy ianareo. Koa dia efa nanafaka ny Israelita tsy hiharan’ny famaizan’ny TOMPO ianareo.


Dia nahafa-po ny Israelita izany sady nisaorany an’Andriamanitra. Tsy noheveriny intsony ny handeha hiady amin’ny Reobenita sy Gadîta ka handrava ny tany izay nonenany.


Fa teo an-tananareo no nanoloran’Andriamanitra an’i Hôreba sy i Zeeba lehiben’ny Midianita. Koa inona izay vitako raha oharina amin’ny nataonareo? Dia nitony ny fahatezeran’ireo Efraîmita, rehefa nandre izany tenin’i Gidehôna izany izy.


Dia niantso an’i Davida i Akisy ary nanao taminy hoe: –Velona ny TOMPO ka milaza marina aho fa olona mahatoky ianao; tiako ny hiarahanao amiko amin’izao ady izao, satria tsy mbola hitako izay tsininao hatramin’izay nahatongavanao teto amiko izay. Kanefa tsy mahazoazo anao ireo filohan’ny Filistinina ireo.