Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 22:19 - DIEM PROTESTANTA

Kanefa raha heverinareo ho tsy mendrika ny TOMPO ireto zarataninareo, dia mankanesa any amin’ny tanin’ny TOMPO izay misy ny tranolay fonenany, ka mangalà zaratany eo afovoan’ny anay; fa aza mikomy amin’ny TOMPO ianareo ary aza mikomy aminay amin’ny fanangananareo alitara, ankoatra ilay alitaran’ny TOMPO Andriamanitsika.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Kanefa raha maloto ny taninareo dia mità ho any amin’ny tanin’NY TOMPO izay itoeran’ny tabernakelin’NY TOMPO, koa makà fonenana any aminay fa aza mikomy amin’NY TOMPO, na mikomy aminay, amin’ny anorenanareo alitara hafa noho ny alitaran’NY TOMPO Andriamanitsika.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Kanefa raha heverinareo ho tsy mendrika ny TOMPO ireto zarataninareo, dia mankanesa any amin’ny tanin’ny TOMPO izay misy ny tranolay fonenany, ka mangalà zaratany eo afovoan’ny anay; fa aza mikomy amin’ny TOMPO ianareo ary aza mikomy aminay amin’ny fanangananareo alitara, ankoatra ilay alitaran’ny TOMPO Andriamanitsika.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Koa raha ny tany fanananareo no heverinareo ho maloto dia mankanesa any amin’ny tany izay fananan’i Iaveh, izay ipetrahan’ny fonenan’i Iaveh, ka monena any aminay; fa aza miodina amin’i Iaveh ary aza miodina aminay, amin’ny fanorenana ôtely hafa noho ny ôtelin’i Iaveh Andriamanitsika.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Kanefa raha maloto ny taninareo, dia mità ho any amin’ny tanin’i Jehovah, izay itoeran’ny tabernakelin’i Jehovah, ka any aminay maka fonenana; fa aza miodina amin’i Jehovah, na miodina aminay, amin’ny anorenanareo alitara afa-tsy ny alitaran’i Jehovah Andriamanitsika.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Kanefa raha maloto ny taninareo, dia mità ho any amin'ny tanin'i Jehovah, izay itoeran'ny tabernakelin'i Jehovah, ka any aminay maka fonenana; fa aza miodina amin'i Jehovah, na miodina aminay, amin'ny anorenanareo alitara afa-tsy ny alitaran'i Jehovah Andriamanitsika.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Kanefa raha maloto ny taninareo dia mità ho any amin’ny tanin’NY TOMPO izay itoeran’ny tabernakelin’NY TOMPO, koa makà fonenana any aminay fa aza mikomy amin’NY TOMPO, na mikomy aminay, amin’ny anorenanareo alitara hafa noho ny alitaran’NY TOMPO Andriamanitsika.

Jereo ny toko



Josoa 22:19
12 Rohy Ifampitohizana  

Ny mpisorona sy ny levita izay nonina tany Israely avaratra manontolo dia niainga avy any amin’ny faritra rehetra nisy azy ka niandany tamin’i Rehabohama.


Entinao izy ka hamponeninao ao an-tendrombohitrao, ao amin’ny toerana izay nataonao ho fonenanao, ry TOMPO, dia ny Toeramasina izay naorinao.


Fa ny anjely mpiaro ny fanjakan’i Persia dia nanohitra ahy nandritra ny 21 andro; nefa indro i Mikaela, anankiray amin’ireo anjely lohalaharana indrindra, no tonga hanampy ahy; ka dia izaho sisa tafajanona teo anilan’ireo mpanjakan’i Persia.


noho izany, ry Amatsià, dia izao no lazain’ny TOMPO: Hijangajanga ao an-tanàna ny vadinao; ireo zanakao lahy sy vavy dia haringana amin’ny sabatra; ny taninao dia hozarazaraina amin’ny tady sy homena olon-kafa; ianao dia ho faty any amin’ny tany fanompoan-tsampy ary ny taranak’i Israely dia ho lasan-ko babo lavitry ny taniny.»


Taorian’ny nandresen’ny Israelita ilay tany, dia nivory tao Silao ny fiangonana israelita tsivakivolo ka tao no nananganany ny Tranolay fihaonana amin’Andriamanitra.


Dia nampandrenesina ny Israelita sisa hoe: –Indro ny vatan-dehilahy taranak’i Reobena sy taranak’i Gada ary anisan’ny antsasa-pokon’i Manase nanorina alitara ao Gelilôta amoron’i Jôrdàna amin’ny sisin’ny tany Kanahàna, atỳ amin’ny lafiny misy antsika.