nifidy lehilahy be herimpo teo amin’ny Israelita izy, ka nanendry azy ho tompon’andraikitra amin’ny vahoaka, ho mpifehy arivo sy mpifehy zato na ho mpifehy dimampolo sy mpifehy folo.
Josoa 22:14 - DIEM PROTESTANTA Niaraka taminy koa ny loholona folo, iray isaky ny foko; izy rehetra ireo dia samy loham-pianakaviana tamin’ny isan’arivo israelita. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary nisy loholona folo lahy koa niaraka taminy, dia loholona iray isam-poko tamin’ny Israely rehetra: Samy lohan’ny fianakaviany tamin’ny arivon’ny Israely ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Niaraka taminy koa ny loholona folo, iray isaky ny foko; izy rehetra ireo dia samy loham-pianakaviana tamin’ny isan’arivo israelita. Baiboly Katolika nomban’ny loholona folo lahy, dia loham-pokom-pianakaviana tamin’ny isan’arivon’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy sy loholona folo lahy koa niaraka taminy, dia loholona iray isam-pirenena tamin’Isiraely rehetra: samy lohan’ny fianakaviany tamin’ny arivon’ny Isiraely ireo. Malagasy Bible sy loholona folo lahy koa niaraka taminy, dia loholona iray isam-pirenena tamin'ny Isiraely rehetra: samy lohan'ny fianakaviany tamin'ny arivon'ny Isiraely ireo. La Bible en Malgache ary nisy loholona folo lahy koa niaraka taminy, dia loholona iray isam-poko tamin’ny Israely rehetra: Samy lohan’ny fianakaviany tamin’ny arivon’ny Israely ireo. |
nifidy lehilahy be herimpo teo amin’ny Israelita izy, ka nanendry azy ho tompon’andraikitra amin’ny vahoaka, ho mpifehy arivo sy mpifehy zato na ho mpifehy dimampolo sy mpifehy folo.
Aoka hisy lehilahy anankiray isam-poko, dia lehilahy izay tokony ho filoham-pianakaviana, mba hanampy anareo.
Dia tonga tany amin’ny taranak’i Reobena sy taranak’i Gada ary antsasa-pokon’i Manase tany Gilehada ireo iraka ireo ka niresaka taminy