Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 21:21 - DIEM PROTESTANTA

Avy tamin’i fokon’i Efraîma dia i Sekema, izay tanàna fialofana ao anatin’ny faritra havoan’i Efraîma, i Gezera,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nomen’ny zanak’Israely azy i Sekema sy ny tany manodidina azy any amin’ny tany be havoana any Efraima, ho tanàna fialofana ho an’izay nahafaty olona, niampy an’i Gezera sy ny tany manodidina azy,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Avy tamin’i fokon’i Efraîma dia i Sekema, izay tanàna fialofana ao anatin’ny faritra havoan’i Efraîma, i Gezera,

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nomena azy i Sikema, tanàna fialofan’izay namono olona, mbamin’ny tany manodidina azy, amin’ny tendrombohitr’i Efraima;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nomeny azy Sekema sy ny tany manodidina azy any amin’ny tany havoan’i Efraima, ho tanàna fandosirana ho an’izay nahafaty olona, ary Gazera sy ny tany manodidina azy

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nomeny azy Sekema sy ny tany manodidina azy any amin'ny tany havoan'i Efraima, ho tanàna fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Gazera sy ny tany manodidina azy

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nomen’ny zanak’Israely azy i Sekema sy ny tany manodidina azy any amin’ny tany be havoana any Efraima, ho tanàna fialofana ho an’izay nahafaty olona, niampy an’i Gezera sy ny tany manodidina azy,

Jereo ny toko



Josoa 21:21
11 Rohy Ifampitohizana  

Novidîny vola zato kesita tamin’ny taranak’i Hamôra, mpanorina ny tanàna Sekema, ny sombin-tany teo amin’ny saha izay nanorenany ny lainy.


Dia nanao araka ny nandidian’ny TOMPO azy i Davida ka nandresy ny Filistinina hatreo Geba ka hatrany Gezera.


Nankany Sekema i Rehabohama, satria tao no efa nahatongavan’ny Israelita tavaratra rehetra hampanjaka azy.


Tamin’izay dia tonga i Hôrama mpanjakan’i Gezera mba hanampy an’i Lakisy, nefa resin’i Josoa izay mbamin’ny tafiny ka tsy nisy niangana.


Ary ny taranak’i Efraîma dia tsy nandroaka ny Kanahanita izay nonina tao Gezera. Koa mbola miara-monina aminy ihany ireny kanahanita ireny mandraka androany, ary nampanaoviny asa fanompoana.


Dia natokan’ny Israelita ireto tanàna ireto: i Kedesa any Galilea any amin’ny faritra havoan’i Naftalỳ; sy i Sekema, any amin’ny faritra havoan’i Efraîma; ary i Kiriata-Arbà (antsoina hoe koa Hebrôna) any amin’ny faritra havoan’i Joda.


i Kibetsaîma, ary i Bety-Hôrôna: izany hoe tanàna efatra mbamin’ireo kijàna samy manodidina azy.


Tao amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma dia nisy lehilahy natao hoe Mikà.


I Abimelèka, zanakalahin’i Jerobahala na Gidehôna, dia nankany Sekema mba hifandinika tamin’ny anadahin-dreniny sy izay rehetra isan’ny fianakavian-dreniny ka nanao taminy hoe: