Nampiantsoin’i Asà mpanjaka avokoa ny Jodeanina tsy ankanavaka hitondra ny vato sy ny hazo izay voaangon’i Bahasà hanamafisana an’i Ramà; dia nampiasain’i Asà ireo fitaovana ireo hanamafisana an’i Geban’i Benjamîna ary koa i Mitsepà.
Josoa 21:17 - DIEM PROTESTANTA Avy tamin’ny fokon’i Benjamîna koa ny nomena ny taranak’i Aharôna dia i Gibehôna, i Geba, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary avy tamin’ny fokon’i Benjamina dia i Gibeona sy ny tany manodidina azy, i Geba sy ny tany manodidina azy, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Avy tamin’ny fokon’i Benjamîna koa ny nomena ny taranak’i Aharôna dia i Gibehôna, i Geba, Baiboly Katolika Ny avy amin’ny fokon’i Benjamina, dia i Gabaôna sy ny manodidina azy, i Gabaà sy ny manodidina azy, Baiboly Protestanta Malagasy ary avy tamin’ny firenen’i Benjamina dia Gibeona sy ny tany manodidina azy ary Geba sy ny tany manodidina azy Malagasy Bible ary avy tamin'ny firenen'i Benjamina dia Gibeona sy ny tany manodidina azy ary Geba sy ny tany manodidina azy La Bible en Malgache ary avy tamin’ny fokon’i Benjamina dia i Gibeona sy ny tany manodidina azy, i Geba sy ny tany manodidina azy, |
Nampiantsoin’i Asà mpanjaka avokoa ny Jodeanina tsy ankanavaka hitondra ny vato sy ny hazo izay voaangon’i Bahasà hanamafisana an’i Ramà; dia nampiasain’i Asà ireo fitaovana ireo hanamafisana an’i Geban’i Benjamîna ary koa i Mitsepà.
Nasainy tonga tany Jerosalema ny mpisorona rehetra avy amin’ny tanànan’i Joda; dia narodany ny toeram-panasinana izay fampiasan’ireo mpisorona sandoka ireo sy fandorany sorona hanetona, hatreo Geba ka hatrany Beera-Seba; ary noravany tao Jerosalema ireo toeram-panasinana teo akaikim-bavahady, indrindra ilay teo anoloan’ny vavahadin’i Josoa governoran’ny tanàna ka teo ankavia raha miditra ny tanàna.
Ireto kosa ny zanakalahin’i Ehoda: i Nahamàna sy i Ahià ary i Gerà (ity Gerà ity dia niteraka an-dry i Hozà sy i Ahihoda). Loham-pianakavian’ireo mponina tao Geba izy telo mirahalahy ary nampifindra monina azy tany Manahata; i Gerà mihitsy no nitarika izany fifindra-monina izany.
sy avy any Bety-Gilgala ary avy amin’ny faritr’i Geba sy i Hazmavety; fa efa nanao tanàna kely ho azy manodidina an’i Jerosalema ny mpihira.
Mamakivaky ny hadilanana izy sady miteny hoe: «Any Geba isika no hitoby anio alina.» Mangovitra noho ny tahotra ny ao Ramà; lasa mitsoaka ny ao Gibehà, izay tanàna fiavian’i Saoly.
Hovana lemaka ny faritra manontolo manodidina an’i Jerosalema, manomboka any Gebà any avaratra ka hatrany Rimôna any atsimo. I Jerosalema dia hisandratra ambonin’ireo tany manodidina azy; ary ny tanàna dia hitatra manomboka eo amin’ny vavahadin’i Benjamîna ka hatramin’ny vavahadin-joro, dia eo amin’ny toeran’ny vavahady tranainy, ary koa manomboka eo amin’ny tilikambon’i Hananehela ka hatramin’ireo famiazam-boaloboky ny mpanjaka.
i Hanatôta, ary i Halemeta: izany hoe tanàna efatra mbamin’ny kijàna samy manodidina azy.
Ny mponina tao Gibehôna dia isan’ny Hivita; kanefa, nony nandre an’izay nataon’i Josoa tamin’i Jerikao sy i Hay ry zareo,