Josoa 21:12 - DIEM PROTESTANTA Fa ny saha sy ireo tanàna kely miankina amin’i Hebrôna kosa dia efa natolotra an’i Kaleba zanakalahin’i Jefonè. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa ny saha momba ny tanàna sy ny vohitra miankina aminy dia nomeny ho lovan’i Kaleba, zanak’i Jefone. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa ny saha sy ireo tanàna kely miankina amin’i Hebrôna kosa dia efa natolotra an’i Kaleba zanakalahin’i Jefonè. Baiboly Katolika Fa ny saha momba izany tanàna izany sy ny zana-bohiny kosa anefa dia nomeny an’i Kaleba, zanak’i Jefone, ho fananany. Baiboly Protestanta Malagasy Fa ny saha momba ny tanàna sy ny zana-bohiny dia nomeny ho lovan’i Kaleba, zanak’i Jefone. Malagasy Bible Fa ny saha momba ny tanàna sy ny zana-bohiny dia nomeny ho lovan'i Kaleba, zanak'i Jefone. La Bible en Malgache Fa ny saha momba ny tanàna sy ny vohitra miankina aminy dia nomeny ho lovan’i Kaleba, zanak’i Jefone. |
Nomena azy i Kiriata-Arbà, na hoe tanànan’i Arbà araka ny anaran’ilay razamben’ny Hanakita. Io tanàna io ankehitriny dia atao hoe Hebrôna, any amin’ny faritra havoan’i Joda. Nomena miaraka aminy koa ny kijàna manodidina azy.
Miaraka amin’i Hebrôna, izay tanàna fialofan’ny mpamono olona tsy nahy, dia natolotra ny taranak’i Aharôna koa i Libnà,
Talohan’izao dia nanafika ny faritra atsimo amin’ny Keretita sy ny an’i Joda ary ny an’i Kalebita izahay. Ary nodoranay ny tanànan’i Tsiklaga.