Ireto avy ny anarany: Ny zanakalahin’i Hora no tany amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma;
Josoa 19:50 - DIEM PROTESTANTA Araka ny baikon’ny TOMPO, dia nomena an’i Josoa ny tanàna izay nangatahiny, izany hoe i Timnata-Sera ao amin’ny tendrombohitr’i Efraîma. Dia namboarin’i Josoa ilay tanàna ka nonenany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Araka ny tenin’NY TOMPO dia nomeny azy ny tanàna izay nangatahiny, dia i Timnata-Sera any amin’ny tany havoanan’i Efraima; dia namboarin’i Josoa ilay tanàna ka nitoerany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Araka ny baikon’ny TOMPO, dia nomena an’i Josoa ny tanàna izay nangatahiny, izany hoe i Timnata-Sera ao amin’ny tendrombohitr’i Efraîma. Dia namboarin’i Josoa ilay tanàna ka nonenany. Baiboly Katolika Noho ny didin’i Iaveh dia nomen’izy ireo azy ny tanàna nangatahiny dia i Tamnata-Sare amin’ny tendrombohitr’i Efraima. Naoriny indray ny tanàna, dia nonina tao izy. Baiboly Protestanta Malagasy Araka ny tenin’i Jehovah dia nomeny azy ny tanàna izay nangatahiny, dia Timnata-sera any amin’ny tany havoan’i Efraima; dia nanamboatra ny tanàna izy ka nitoetra tao. Malagasy Bible Araka ny tenin'i Jehovah dia nomeny azy ny tanàna izay nangatahiny, dia Timnata-sera any amin'ny tany havoan'i Efraima: dia nanamboatra ny tanàna izy ka nitoetra tao. La Bible en Malgache Araka ny tenin’NY TOMPO dia nomeny azy ny tanàna izay nangatahiny, dia i Timnata-Sera any amin’ny tany havoanan’i Efraima; dia namboarin’i Josoa ilay tanàna ka nitoerany. |
Ireto avy ny anarany: Ny zanakalahin’i Hora no tany amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma;
Ny zanakavavin’i Efraîma dia i Seerà, izay nanorina an’i Bety-Hôrôna ambany sy i Bety-Hôrôna ambony ary i Ozena-Seerà.
Ary rehefa vitan’ny Israelita ny fizaràna ny tany araka ny sisin-taniny avy, dia nomeny zaratany kosa i Josoa, zanakalahin’i Nona.
Koa nalevina teo amin’ny faritry ny zarataniny izy, dia tao Timnata-Sera, any amin’ny tendrombohitr’i Efraîma, eo avaratry ny tendrombohitra Gahasa.
Dia tao amin’ny faritra anjara lovany no nandevenana azy, izany hoe tao Timnata-Heresa, any amin’ny tany be tendrombohitra any Efraîma, eo avaratry ny tendrombohitra Gahasa.