Ary izahay hikapa hazo any Libano araka izay rehetra ilainao; ary hatambatray ireny ka hampandehaninay mitsinkafona amin’ny ranomasina hatrany Jôpa. Ianao kosa no hampiakatra azy mankany Jerosalema.»
Josoa 19:46 - DIEM PROTESTANTA ary i Rakôna; ao koa ny ranon’i Jarkôna sy ny tany manodidina an’i Jafao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 i Me-Jarkona, i Rakona ary ny tany tandrifin’i Jopa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ary i Rakôna; ao koa ny ranon’i Jarkôna sy ny tany manodidina an’i Jafao. Baiboly Katolika i Mejarkôna, ary i Arekôna, mbamin’ny faritany tandrifin’i Jôpe. Baiboly Protestanta Malagasy sy Me-jarkona sy Rakona ary ny tany tandrifin’i Jopa. Malagasy Bible sy Me-jarkona sy Rakona ary ny tany tandrifin'i Jopa. La Bible en Malgache i Me-Jarkona, i Rakona ary ny tany tandrifin’i Jopa. |
Ary izahay hikapa hazo any Libano araka izay rehetra ilainao; ary hatambatray ireny ka hampandehaninay mitsinkafona amin’ny ranomasina hatrany Jôpa. Ianao kosa no hampiakatra azy mankany Jerosalema.»
Dia nisain’i Salômôna avokoa ny lehilahy hafa firenena izay nonina tao amin’ny tanin’i Israely; araka ny nanisan’i Davida rainy azy, dia nisy 153 000 izy ireo.
Nefa niainga handositra ho any Tarsîsy hanalavitra ny TOMPO i Jônà. Nankany Jafao izy ka nahita sambo vonona ho any Tarsîsy. Naloany ny saran-dalana, dia niondrana niaraka tamin’ny tantsambo rehetra izy ary nihevitra ny hanalavitra ny TOMPO.
Nitantaran’ny kapiteny izay rehetra nitranga izy telo lahy ary dia nirahiny ho any Jôpa.
Tany Jôpa dia nisy vehivavy mpianatra atao hoe Tabità (na «Dôrkasy» amin’ny teny grika izany hoe gazela). Be tokoa ny asa soa amam-piantrana vitany.
Tanàna akaikin’i Jôpa moa i Lida; ka nony henon’ny mpianatra tao Jôpa fa hoe any Lida i Petera, dia nandefa iraka roa lahy ry zareo mba hiangavy azy hoe: «Tongava faingana atỳ aminay.»
Nitoetra naharitraritra tao Jôpa i Petera, tao an-tranon’ny mpandon-koditra atao hoe Simôna.
Nony tsy voatanan’ny Danita io faritany io, dia nianavaratra ireo ka niady tamin’i Lesema. Nalainy ny tanàna ary naringany tamin’ny sabatra ny mponina tao; lasany tanteraka i Lesema ka nipetrahany. Ary i Lesema dia nantsoiny hoe Dana, araka ny anaran’i Dana razambeny.