Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 18:26 - DIEM PROTESTANTA

i Mitsipè, i Kefirà, i Môtsà,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

i Mizpa, i Kefira, i Moza,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

i Mitsipè, i Kefirà, i Môtsà,

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

i Mesfe, i Kafarà, i Amôsa,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

sy Mizpa sy Kefira sy Moza

Jereo ny toko

Malagasy Bible

sy Mizpa sy Kefira sy Moza

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

i Mizpa, i Kefira, i Moza,

Jereo ny toko



Josoa 18:26
15 Rohy Ifampitohizana  

Ity zanakalahin’i Saoly ity dia nanana lehiben’andia-miaramila; ka ny roalahy tamin’ireo lehibe ireo, dia i Bahanà sy i Rekaba samy zanakalahin’i Rimôna avy any Beerôta sady Benjaminita; satria natao ho isan’i Benjamîna koa i Beerôta,


Nampiantsoin’i Asà mpanjaka avokoa ny Jodeanina tsy ankanavaka hitondra ny vato sy ny hazo izay voaangon’i Bahasà hanamafisana an’i Ramà; dia nampiasain’i Asà ireo fitaovana ireo hanamafisana an’i Geban’i Benjamîna ary koa i Mitsepà.


Rehefa fantatry ny manamboninahitra sy ny miaramila jodeanina izay tsy nitolo-batana tamin’ny Babilônianina izany fanapahan-kevitr’i Nebokadnetsara izany, dia nankany amin’i Gedalià tany Mitsepà izy. Ireo manamboninahitra ireo dia i Jismahela zanakalahin’i Netanià, i Jôhanàna zanakalahin’i Karea, i Seraià zanakalahin’i Tanehometa avy any Netôfà, ary i Jaazanià avy any Mahekà.


ny terak’i Kiriata-Jeharîma sy i Kefirà ary i Beerôta dia nisy lehilahy 743;


Ary i Jeremià nankany amin’i Gedalià zanakalahin’i Ahikama tao Mitsepà, ka niara-nipetraka taminy teo anivon’ny vahoaka izay sisa velona teo amin’ny tany.


Nandefasan’i Jabîna iraka ihany koa ny Kanahanita tany atsinanana sy andrefan’i Jôrdàna, ny Amôrita sy Hetita ary ny Perizita sy Jebosita tany an-tendrombohitra, ary ireo Hivita nonina tany am-pototr’i Hermôna, tany amin’ny faritanin’i Mitsepà.


Tao koa i Gibehôna, i Ramà, i Beerôta.


i Rekema, i Jirpeela, i Taralà,


Dia niainga ny Israelita; ka nony afaka telo andro, dia tonga tany an-tanànan-dry zareo, izany hoe tao Gibehona sy Kefirà ary Beerôta sy Kiriata-Jeharima.


Ary nifanangona ny Hamônita ka nitoby tao amin’ny faritanin’i Gilehada; dia nifamory koa ny Israelita ka nitoby tao Mitsepà.


Fa nony niverina tany aminy tao Mitsepà i Jiftà, dia ny zanany vavy no nivoaka nitsena azy sady nandihy tamin’ny amponga tapaka; vavy tokany anefa io, fa tsy nanan-janaka hafa izy.


Dia niainga ny Israelita rehetra ary tafangona toy ny olona iray izy hatrany Dana ka hatrany Beera-Seba sy hatrany amin’ny faritr’i Gilehada no nivory teo anatrehan’ny TOMPO tao Mitsepà.


Isan-taona izy dia nandeha nitety an’i Betela sy i Gilgala ary i Mitsepà ka nitsara tamin’ireo tanàna telo ireo.


Avy eo dia hoy i Samoela hoe: –Aoka ho vory any Mitsepà ny vahoaka Israely tsivakivolo, fa izaho hivavaka amin’ny TOMPO ho azy.


Dia tafangona tao Mitsepà ny Israelita. Nanovo rano izy ireo, dia nararany tamin’ny tany teo anatrehan’ny TOMPO izany. Nifady hanina koa izy tamin’izany andro izany sady niaiky heloka hoe: «Efa nanota tamin’ny TOMPO izahay.» Tao Mitsepà no nahatonga an’i Samoela ho filohan’ny vahoaka Israely.