Tamin’ny taona fahefatra ambin’ny folo dia tonga i Kedorlahômera mbamin’ireo mpanjaka nomba azy ka nandresy ireo Refaita tao Hastarôta-Karnaîma sy ny Zozita tao Hama sy ireo Emita tao amin’ny lemak’i Kiriataîma
Josoa 17:15 - DIEM PROTESTANTA Dia novalian’i Josoa hoe: –Raha tàhiny vahoaka marobe ianareo ka tery ho anareo ny havoanan’i Efraîma, dia mandehana any amin’ny tanin’ny Perizita sy ny Refaîta ka tevezo ny ala any hipetrahanareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Josoa taminy: Raha firenena lehibe ary ianao dia miakara any amin’ny ala ka miteveza honenanao any amin’ny tanin’ny Perizita sy ny Refaìta, fa tery loatra aminao ny tany havoanan’i Efraima. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia novalian’i Josoa hoe: –Raha tàhiny vahoaka marobe ianareo ka tery ho anareo ny havoanan’i Efraîma, dia mandehana any amin’ny tanin’ny Perizita sy ny Refaîta ka tevezo ny ala any hipetrahanareo. Baiboly Katolika Dia hoy i Jôsoe taminy: «Raha vahoaka be àry ianareo miakara any an’ala, ka miteveza any amin’ny tanin’ny Ferezeanina sy ny Refaima honenanareo, rehefa ety tsy omby anareo ny tendrombohitr’i Efraima.» Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy Josoa taminy: Raha firenena lehibe ary hianao, dia miakara any amin’ny ala, ka miteveza honenanao any amin’ny tanin’ny Perizita sy ny Refaïta, fa tery loatra aminao ny tany havoan’i Efraima. Malagasy Bible Dia hoy Josoa taminy: Raha firenena lehibe ary ianao, dia miakara any amin'ny ala, ka miteveza honenanao any amin'ny tanin'ny Perizita sy ny Refaita, fa tery loatra aminao ny tany havoan'i Efraima. La Bible en Malgache Dia hoy i Josoa taminy: Raha firenena lehibe ary ianao dia miakara any amin’ny ala ka miteveza honenanao any amin’ny tanin’ny Perizita sy ny Refaìta, fa tery loatra aminao ny tany havoanan’i Efraima. |
Tamin’ny taona fahefatra ambin’ny folo dia tonga i Kedorlahômera mbamin’ireo mpanjaka nomba azy ka nandresy ireo Refaita tao Hastarôta-Karnaîma sy ny Zozita tao Hama sy ireo Emita tao amin’ny lemak’i Kiriataîma
Nivoaka nankeny an-tsaha ny miaramilan’i Davida hifanehatra amin’ny Israelita hafa ka rafitra tao amin’ny alan’i Efraîma ny ady.
Mbola niverina niakatra teo amin’ny lohasahan’ny Refaîta indray ny Filistinina ka niparitaka teo.
Taorian’izany zavatra izany, dia nanatona ahy ireo lehiben’ny Israelita ka nanao hoe: –Na sarambabem-bahoaka na mpisorona na levita, dia tsy mbola miavaka amin’ny valovotaka, fa maka tahaka ny zava-maharikoriko fanaon’ny Kanahanita sy Hitita, ny Perizita sy Jebosita, ny Hamônita sy Môabita, ary ny Ejiptianina sy Amôrita.
Hirahiko ny anjeliko mba hitari-dàlana anareo; horoahiko ny Kanahanita sy ny Amôrita, ny Hetita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita.
Izay tsy mahalala kosa, nefa manao zavatra tokony hikapohana azy, dia hahazo kapoka kely. Izay nomena be no hitakiana be; ary izy nanankinana be no hadinina bebe kokoa.
Ary nitaraina tamin’i Josoa ny taranak’i Jôsefa nanao hoe: –Nahoana no anjara iray ihany tamin’ny antsapaka no mba nomenao anay, kanefa izahay efa tonga vahoaka marobe araka izay nitahian’ny TOMPO anay?
Hoy kosa ny taranak’i Jôsefa hoe: –Tsy ampy ho anay tokoa ny havoana, kanefa manana kalesy vy ireo Kanahanita rehetra monina ao amin’ny tany lemaka, na izay any Bety-Seana sy amin’ireo tanàna kely miankina aminy na izay any amin’ny lohasahan’i Jizrehela.