Josoa 13:31 - DIEM PROTESTANTA ao anatiny koa ny antsasak’i Gilehada, ary i Hastarôta sy i Edrehỳ renivohitry ny fanjakan’i Hôga mpanjakan’i Basàna. Izany no faritany azon’ny taranak’i Makira zanakalahin’i Manase; azon’ilay antsasaky ny taranak’i Makira izany ho an’ireo tarika ao anatiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny antsasak’i Gileada sy i Astarota ary i Edrehy, tanàna ao amin’ny fanjakan’i Oga any Basana, dia an’ny taranak’i Makira, zanak’i Manase, dia ho an’ny antsasaky ny taranak’i Makira araka ny fokony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ao anatiny koa ny antsasak’i Gilehada, ary i Hastarôta sy i Edrehỳ renivohitry ny fanjakan’i Hôga mpanjakan’i Basàna. Izany no faritany azon’ny taranak’i Makira zanakalahin’i Manase; azon’ilay antsasaky ny taranak’i Makira izany ho an’ireo tarika ao anatiny. Baiboly Katolika Ny antsasak’i Galaada sy Astarôta ary Adraia, tanàna amin’ny fanjakan’i Oga, any Basàna, dia nomena ny taranak’i Makira zanak’i Manase, dia ny antsasaky ny taranak’i Makira, araka ny fianakaviany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny antsasak’i Gileada sy Astarta ary Edrehy, tanàna amin’ny fanjakan’i Oga any Basana, dia an’ny taranak’i Makira, zanak’i Manase, dia ho an’ny antsasaky ny taranak’i Makira araka ny fokony. Malagasy Bible Ary ny antsasak'i Gileada sy Astarta ary Edrehy, tanàna amin'ny fanjakan'i Oga any Basana, dia an'ny taranak'i Makira, zanak'i Manase, dia ho an'ny antsasaky ny taranak'i Makira araka ny fokony. La Bible en Malgache Ary ny antsasak’i Gileada sy i Astarota ary i Edrehy, tanàna ao amin’ny fanjakan’i Oga any Basana, dia an’ny taranak’i Makira, zanak’i Manase, dia ho an’ny antsasaky ny taranak’i Makira araka ny fokony. |
Ny faharoa dia i Hôga, iray amin’ireo Refaîta sisa tavela; mpanjakan’i Basàna izy ary nipetraka tao Hastarôta na Edrehỳ.
mbola anisan’izany koa ny fanjakan’i Hôga, iray amin’ireo Refaîta sisa tavela ary nanjaka tao Hastarôta sy Edrehỳ tany Basàna. Resin’i Mosesy avokoa ireo firenena ireo ka noroahiny.
Ireo tany ireo no voazaran’i Mosesy teny atsinanan’i Jerikao, ampita atsinanan’i Jôrdàna, fony izy tao amin’ny lemak’i Môaba.
Koa nanana tsinjara folo ny fokon’i Manase ankoatry ny faritany Gilehada sy Basàna izay eny ampita atsinanan’i Jôrdàna,
satria ny vehivavy taranak’i Manase dia nomena zaratany koa fa tsy ny lehilahy ihany. (Ny faritany Gilehada dia an’ireo Manasita hafa).
sy izay rehetra nataony tamin’ireo mpanjaka amorîta roa lahy tany ampitan’i Jôrdàna: dia i Sihôna mpanjakan’i Hesbôna, sy i Hôga mpanjakan’i Basàna izay nonina tany Hastarôta.
Ary mbola nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO indray ny Israelita ka nanompo ny Bahala sy Hastarôta andriamani-tsiizy, mbamin’ny andriamanitry ny Sirianina sy ny Tsidônianina na ny andriamanitry Môabita sy ny Hamônita ary ny Filistinina; fa nandao ny TOMPO izy ka tsy nanompo Azy intsony.
Tsy nihetsika koa ny terak’i Gilehada teny an-dafy atsinanan’i Jôrdàna. Ary nahoana ny fokon’i Dana no nipetra-potsiny teo anilan’ny sambony? Ny fokon’i Asera koa nonina teo amoron-dranomasina ka nijanona teo amin’ny fitodian-tsambony.
Dia nitaraina tamin’ny TOMPO indray ireo razanareo ka nanao hoe: «TOMPO ô, efa nanota izahay satria nahafoy Anao ary nanompo ireo sampy, dia ny andriamani-dahy Bahala sy ny andriamani-bavy Hastôreta. Nefa ankehitriny, vonjeo amin’ny fahavalonay izahay, dia hanompo Anao.»
ka nilazan’i Samoela hoe: –Raha amin’ny fonareo manontolo tokoa no hiverenanareo amin’ny TOMPO, dia atsaharo ny fanompoanareo andriamani-kafa sy fanompoanareo ny sampy Hastôreta; aoka hiraiki-po amin’ny TOMPO ianareo, ary aza manompo afa-tsy Izy irery ihany, fa hovonjeny tsy ho voagejan’ny Filistinina ianareo.