Ny taranak’i Gada dia nonina tao Gilehada sy Basàna mbamin’ny faritra miankina aminy sy ny kijàna rehetra any Siriôna mipaka hatrany amin’ny sisiny farany lavitra indrindra.
Josoa 13:28 - DIEM PROTESTANTA Ireo tanàn-dehibe voatanisa ireo miampy ny tanàna kely miankina aminy no zaratany nolovan’ny Gadita ho an’ireo tarika ao anatiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izany no lovan’ny taranak’i Gada araka ny fokony, dia ny tanàna mbamin’ny vohitra miankina aminy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireo tanàn-dehibe voatanisa ireo miampy ny tanàna kely miankina aminy no zaratany nolovan’ny Gadita ho an’ireo tarika ao anatiny. Baiboly Katolika Izany no lovan’ny taranak’i Gada, araka ny fianakaviany, dia ny tanàna aman-jana-bohiny. Baiboly Protestanta Malagasy Izany no lovan’ny taranak’i Gada araka ny fokony, dia ny tanàna sy ny zana-bohiny. Malagasy Bible Izany no lovan'ny taranak'i Gada araka ny fokony, dia ny tanàna sy ny zana-bohiny. La Bible en Malgache Izany no lovan’ny taranak’i Gada araka ny fokony, dia ny tanàna mbamin’ny vohitra miankina aminy. |
Ny taranak’i Gada dia nonina tao Gilehada sy Basàna mbamin’ny faritra miankina aminy sy ny kijàna rehetra any Siriôna mipaka hatrany amin’ny sisiny farany lavitra indrindra.
Tany amin’ny lohasahan’i Jôrdàna kosa dia nisy an’i Bety-Harama sy i Bety-Nimrà ary i Sokôta sy i Tsafôna, izany hoe ny sisa amin’ny fanjakan’i Sihôna izay nanjaka tao Hesbôna: tao andafy atsinanan’i Jôrdàna no misy izany faritany izany, ka mipaka hatrany amin’ny farihin’i Genesareta any avaratra.
Ary nomen’i Mosesy anjara koa ny antsasa-pokon’i Manase; azon’ilay antsasa-poko taranak’i Manase izany ho an’ireo tarika ao anatiny.