Josoa 11:16 - DIEM PROTESTANTA Dia azon’i Josoa avokoa ilay tany: dia ny faritra be tendrombohitra sy i Negeba manontolo any atsimo, ny faritr’i Gôsena manontolo, ny lemak’i Sefelà, ny lohasahan’i Jôrdàna, ary ny faritra misy tendrombohitra sy lemaka any avaratra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia lasan’i Josoa avokoa izany tany rehetra izany, na ny havoana na i Negeva rehetra na i Gosena rehetra, na i Sefela na ny tany ngazana na ny tany be havoana any Israely sy ny tany lemaka any aminy koa, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia azon’i Josoa avokoa ilay tany: dia ny faritra be tendrombohitra sy i Negeba manontolo any atsimo, ny faritr’i Gôsena manontolo, ny lemak’i Sefelà, ny lohasahan’i Jôrdàna, ary ny faritra misy tendrombohitra sy lemaka any avaratra. Baiboly Katolika Toy izany no nahazoan’i Jôsoe izany tany rehetra izany, dia ny Tendrombohitra, ny Negeba manontolo, ny faritanin’i Gôsena rehetra, ny tany lemaka, ny Arabaha, ny tany havoana sy ny tany lemak’i Israely, Baiboly Protestanta Malagasy Dia lasan’i Josoa avokoa izany tany rehetra izany, na ny tany havoana, na ny tany atsimo rehetra, na ny tany Gosena rehetra, na ny tany lemaka amoron-tsiraka, na ny tani-hay, na ny tany havoan’ny Isiraely sy ny tany lemaka aminy koa, Malagasy Bible Dia lasan'i Josoa avokoa izany tany rehetra izany na ny tany havoana, na ny tany atsimo rehetra, na ny tany Gosena rehetra, na ny tany lemaka amoron-tsiraka, na ny tani-hay na ny tany havoan'ny Isiraely sy ny tany lemaka aminy koa, La Bible en Malgache Dia lasan’i Josoa avokoa izany tany rehetra izany, na ny havoana na i Negeva rehetra na i Gosena rehetra, na i Sefela na ny tany ngazana na ny tany be havoana any Israely sy ny tany lemaka any aminy koa, |
noroahiny ny firenen-kafa teo anoloany, nozarainy antsapaka ho azy ny taniny; ka ny tranon’ireo firenen-kafa ireo ihany no nampitoerany ny fokon’i Israely.
Eny an-tendrombohitra avon’i Israely no hamboleko azy. Handrobona ny rantsany ka hamoa, dia hanjary sedera mahafinaritra izy. Hanao akany eny amin’ny rantsany sy hitoetra eo ambany alony ny vorona isan-karazany.
Amin’izay fotoana izay ny hazo eny an-tendrombohitr’i Israely dia handravina sy hamoa ho anareo, ry Israelita vahoakako; fa efa antomotra ny hiverenanareo any an-tanindrazanareo.
Mihodîna ianareo, ary mandehana mankany amin’ny tendrombohitra fonenan’ny Amôrita; mandehana mankany amin’ny faritra manodidina fonenan’ny Kanahanita, dia ny lemak’i Harabà, ny faritra havoana, ny lemak’i Sefelà, ny Negeba, mbamin’ny moron-tsiraka; mandehana mankany Libano ka hatrany amin’ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata.
Nalain’i Josoa ny tany manontolo; noreseny avokoa ireo mpanjaka rehetra tany an-tendrombohitra sy ny faritra atsimo ary ny teny amin’ny lemak’i Sefelà sy ny kisolosolo, ka tsy nisy niangana; naringany avokoa izay rehetra manana aina, araka ny didy nomen’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.
Eny, nalain’i Josoa avokoa, nanomboka teo Kadesy-Barnea sy Gazà any atsimo, ka hatrany amin’ny faritanin’i Gôsena sy hatrany Gibehôna kosa any avaratra.
Izay baiko rehetra nomen’ny TOMPO an’i Mosesy mpanompony dia nampitainy tamin’i Josoa; ka izany no nataon’i Josoa tsy nisy namelany.
Nandefasany iraka ihany koa ireo mpanjaka izay any an-tendrombohitra any avaratra sy ireo mpanjaka tany amin’ny lohasahan’i Jôrdàna eo atsimon’ny farihin’i Genesareta, ary ireo mpanjaka teny amin’ny lemak’i Sefelà sy teny amoron-tsiraka akaikin’i Dôra ao andrefana.
Tamin’izany fotoana izany koa i Josoa no nandeha niady tamin’ny Hanakita rehetra izay tany amin’ny faritra be tendrombohitra, dia tany Hebrôna sy Debira ary Hanaba mbamin’ny havoan’i Joda sy i Israely manontolo. Nasain’i Josoa naringana avokoa izy sy ny tanànany
Isan’izany ny faritra be tendrombohitra, ny lemak’i Sefelà, ny lohasahan’i Jôrdàna, ny kisolosolo, ary ny taniefitra sy i Negeba any atsimo: ireo faritra ireo dia an’ny Hetita sy Amôrita, an’ny Kanahanita sy Perizita, ary an’ny Hivita sy Jebosita.
Ary ny vaovao momba ny faharavàn’i Hay dia ren’ireo mpanjaka izay teny amin’ny faritra rehetra andafy andrefan’i Jôrdàna; teny amin’ny havoana sy teny amin’ny lemak’i Sefelà ary teny amin’tany rehetra amoron’ny Ranomasina Mediteranea ka hatrany hatrany Libano. Koa nifamory ny mpanjaka hetita sy amôrita mbamin’ny mpanjaka kanahanita sy perizita ary ny mpanjaka hivita sy jebosita