Azony ny tanàna ka novonoiny tamin’ny sabatra ny mpanjakany sy ny olona rehetra tao. Azony koa ireo tanàna rehetra manodidina an’i Hebrôna, ary naringany avokoa ny olona rehetra tao ka tsy nisy niangana; tahaka izay nataony tamin’i Heglôna mihitsy izany.
Azony ny tanàna sy ny mpanjakany mbamin’ireo tanàna manodidina an’i Debira. Naringany tamin’ny sabatra ny mponina rehetra tao ka tsy nisy niangana. Tahaka izay nataon’i Josoa tamin’i Hebrôna sy i Libnà mbamin’ny mpanjakany no nataon’i Josoa tamin’i Debira sy ny mpanjakany.