Ary tao Jerosalema dia nisy olona nikomy tamin’i Amatsià, ka nahatonga azy nandositra tany Lakisy; fa nampanaraka azy anefa ireto mpikomy ka nampamono azy ho faty tany an-toerana.
Josoa 10:31 - DIEM PROTESTANTA Dia niala tao Libnà i Josoa sy ny Israelita rehetra niaraka taminy ka nankany Lakisy ary nanao fahirano azy sy nanafika azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary niala tany Libna i Josoa sy ny Israely rehetra niaraka taminy ka nankany Lakisy, dia nitoby tandrifiny ka namely azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia niala tao Libnà i Josoa sy ny Israelita rehetra niaraka taminy ka nankany Lakisy ary nanao fahirano azy sy nanafika azy. Baiboly Katolika Niala teo Lebnà i Jôsoe sy i Israely rehetra niaraka taminy, dia nankany Lakisa, ka nanorina ny tobiny teo anoloany sy namely azy. Baiboly Protestanta Malagasy Dia niala tany Libna Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Lakisy, dia nitoby tandrifiny ka namely azy. Malagasy Bible Dia niala tany Libna Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Lakisy, dia nitoby tandrifiny ka namely azy. La Bible en Malgache Ary niala tany Libna i Josoa sy ny Israely rehetra niaraka taminy ka nankany Lakisy, dia nitoby tandrifiny ka namely azy. |
Ary tao Jerosalema dia nisy olona nikomy tamin’i Amatsià, ka nahatonga azy nandositra tany Lakisy; fa nampanaraka azy anefa ireto mpikomy ka nampamono azy ho faty tany an-toerana.
Dia niverina ilay dekà, ka nankany Libnà izay nataon’ny mpanjakan’i Asiria fahirano; satria reny fa efa nandao an’i Lakisy ny mpanjaka.
Dia niverina ilay dekà, ka nankany Libnà izay nataon’ny mpanjakan’i Asiria fahirano tamin’izay; satria reny fa efa nandao an’i Lakisy ny mpanjaka.
Ry mponina ao Lakisy, rohizo amin’ny soavaly haingam-pandeha ny kalesy handosiranareo; satria naka tahaka ny fahadisoan’i Israely ianareo, ka nahatonga ny mponina ao Tsiôna hanota.
Noho izany, dia nandefasan’i Adôny-Tsedèka iraka i Hôkama mpanjakan’i Hebrôna, i Pireama mpanjakan’i Jarmôta, i Jafia mpanjakan’i Lakisy, ary i Debira mpanjakan’i Heglôna, ka nilazany hoe:
Natolotry ny TOMPO teo an-tanan’ny Israelita koa ny tanàna; dia novonoin’ireo tamin’ny sabatra ny mpanjakany sy ny olona rehetra tao ka tsy nisy niangana. Tahaka izay nataon’ny Israelita tamin’ny mpanjakan’i Jerikao no nataony tamin’ny mpanjakan’i Libnà.
Natolotry ny TOMPO teo an-tanan’ny Israelita i Lakisy ka azony tamin’ny andro faharoa. Novonoin’ireo tamin’ny sabatra ny olona rehetra tao, tahaka izay nataony tamin’i Libnà.
Dia nivondrona ireo mpanjaka amôrita dimy lay, izany hoe ny mpanjaka tao Jerosalema sy Hebrôna mbamin’ny mpanjaka tao Jarmôta sy Lakisy ary Heglôna, ka niakatra niaraka tamin’ny tafiny rehetra hitoby tandrifin’i Gibehôna sy hanao fahirano azy.