Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Joela 1:5 - DIEM PROTESTANTA

Mifohaza ka mitomania, ry mamolava; midradradradrà ianareo rehetra, ry mpisotro divay: fa tsy hisy ny voaloboka, ka ho diso divay ny vavanareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Mifohaza, ianareo mpimamo, ka mitomania! Eny, midradradradrà, ianareo mpisotro divay rehetra, noho ny ranom-boaloboka satria nesorina tsy ho ao amin’ny vavanareo izany!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Mifohaza ka mitomania, ry mamolava; midradradradrà ianareo rehetra, ry mpisotro divay: fa tsy hisy ny voaloboka, ka ho diso divay ny vavanareo.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Mifohaza ianareo mpimamo, ka mitomania; ianareo rehetra mpisotro divay dia midradradradrà, noho ny amin’ny divay vaovao; izay notapahina tsy ho amin’ny vavanareo intsony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Mifohaza, hianareo mpimamo, ka mitomania, Eny, midradradradrà, hianareo mpisotro divay rehetra, Noho ny ranom-boaloboka, Satria tapaka tsy ho amin’ny vavanareo izany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Mifohaza, ianareo mpimamo, ka mitomania, eny, midradradradrà, ianareo mpisotro divay rehetra, noho ny ranom-boaloboka, satria tapaka tsy ho amin'ny vavanareo izany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Mifohaza, ianareo mpimamo, ka mitomania! Eny, midradradradrà, ianareo mpisotro divay rehetra, noho ny ranom-boaloboka satria nesorina tsy ho ao amin’ny vavanareo izany!

Jereo ny toko



Joela 1:5
13 Rohy Ifampitohizana  

Manaova akanjo fisaonana noho izany ka mitomania sy midradradradrà, fa ny TOMPO tsy mbola nampiala tamintsika ny fahatezerany mirehitra.


«Ry ilay taranak’olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao ka ambarao fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Midradradradrà ny amin’ny andro ho avy ianareo!


Malahelova ianareo mpiasa tany, midradradradrà ianareo mpamboly voaloboka; ny amin’ny vary sy ny ôrza, dia levona ny vokatry ny saha.


Mitafia lamba fisaonana ary mitomania sy midradradradrà, ianareo mpisorona mpanao fanompoam-pivavahana eo amin’ny alitara. Avia ianareo hialina amin’alahelo, ry mpanao fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitro: fa tsy misy entina intsony ao an-tranon’Andriamanitrareo na ny fanatitra vokatry ny tany na ny fanatitra araraka.


Hampiseho zava-mahagaga eny amin’ny lanitra sy etỳ amin’ny tany Aho, dia ra sy afo ary setroka mitambolina.


Nisy mpanankarena anankiray nanao fitafiana tsara tarehy sady lafo vidy ary nanaram-po tamin’ny hanim-py isan’andro.


Mihaino ahy izao ianareo mpanankarena! Mitomania sy mitolokoa noho ny loza midona aminareo.