Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Joela 3:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Hampiseho zava-mahagaga eny amin’ny lanitra sy etỳ amin’ny tany Aho, dia ra sy afo ary setroka mitambolina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Hanisy fahagagana eny amin’ny lanitra sy etỳ amin’ny tany Aho, dia ra sy afo ary setroka mitankosina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Hampiseho zava-mahagaga eny amin’ny lanitra sy etỳ amin’ny tany Aho, dia ra sy afo ary setroka mitambolina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Haneho zava-mahagaga eny an-danitra sy etỳ an-tany Aho, dia ra sy afo aman-tsetroka mitankosina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ary hanisy fahagagana eny amin’ny lanitra sy etỳ amin’ny tany Aho, Dia ra sy afo ary setroka mitankosina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ary hanisy fahagagana eny amin'ny lanitra sy etỳ amin'ny tany Aho, dia rà sy afo ary setroka mitankosina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Hanisy fahagagana eny amin’ny lanitra sy etỳ amin’ny tany Aho, dia ra sy afo ary setroka mitankosina.

Jereo ny toko dika mitovy




Joela 3:3
8 Rohy Ifampitohizana  

Ny kamboty aza moa ataonareo antoka loka; ary sahinareo amidy hatramin’ny sakaizanareo.


Ny olona avy any Gresy sy Tobala ary Mesèka ihany koa dia nifanao varotra taminao, ka olona sy fanaka halimo no natolony ho takalon’ny entanao.


Mifohaza ka mitomania, ry mamolava; midradradradrà ianareo rehetra, ry mpisotro divay: fa tsy hisy ny voaloboka, ka ho diso divay ny vavanareo.


Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Israely, fa indrindra ireto: Namidiny ho andevo ny olon-tsotra raiki-trosa mba hamerenana ny volany; ary namidiny ho andevo ny mahantra satria tsy nahaloa na ny vidin-kapa iray lomisy aza.


Nitsangan-kamely ny Israelita ianao, tamin’ny andro nandresen’ny vahiny ny tafiny sy nidiran’ny hafa firenena tao an-tanànany; fony nozarain’ny vahiny antsapaka ny fananan’i Jerosalema, dia niray tetika taminy koa ianao.


Nefa na ny mponin’i Teba koa aza dia lasan-ko babo sy voasesitany. Ny zaza teo aminy dia novonoin-ko faty teny an-joron-dàlana rehetra teny, ny loholony notsinjaraina an-tsapaka, ary ny lehibeny rehetra nasiana gadra vy.


havozomamy sy hodi-kazo manitra; ilomanitra sy miora ary vovo-javamanitra; divay sy diloilo; lafarinina tsara toto sy varimbazaha; omby sy ondry; soavaly sy kalesy; ary mpanompo sy babo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra