Ilay iraka izay nandeha naka an’i Mikaià kosa dia niteny taminy hoe: –Indro efa iray teny avokoa izao ireo mpaminany, ka milaza soa ho an’ny mpanjaka; enga anie ny teninao mba ho tahaka ny azy, ka hilaza soa ihany koa.
Jeremia 8:11 - DIEM PROTESTANTA Alasafay fotsiny no nitsaboany ny fahavoazan’ny vahoakako tamin’ny nilazany hoe: «Fiadanana, fiadanana!»; kanjo tsy misy fiadanana akory. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran’ny oloko zanakavavy tamin’ny nitenenany hoe: Fiadanana, fiadanana! Kanjo tsy misy fiadanana akory! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Alasafay fotsiny no nitsaboany ny fahavoazan’ny vahoakako tamin’ny nilazany hoe: «Fiadanana, fiadanana!»; kanjo tsy misy fiadanana akory. Baiboly Katolika Ataotaony foana ny fitsaboana ny ferin’ny zanaka vavin’ny vahoakako, lazainy hoe: Fiadanana! Fiadanana! Nefa tsy misy fiadanana tsinona. Baiboly Protestanta Malagasy Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran’ny oloko zanakavavy Tamin’ny nanaovany hoe: Fiadanana, fiadanana; Kanjo tsy misy fiadanana tsinona! Malagasy Bible Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran'ny oloko zanakavavy tamin'ny nanaovany hoe: Fiadanana, fiadanana; Kanjo tsy misy fiadanana tsinona! La Bible en Malgache Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran’ny oloko zanakavavy tamin’ny nitenenany hoe: Fiadanana, fiadanana! Kanjo tsy misy fiadanana akory! |
Ilay iraka izay nandeha naka an’i Mikaià kosa dia niteny taminy hoe: –Indro efa iray teny avokoa izao ireo mpaminany, ka milaza soa ho an’ny mpanjaka; enga anie ny teninao mba ho tahaka ny azy, ka hilaza soa ihany koa.
Ary novorin’ny mpanjakan’i Israely ny mpaminaniny tokony ho efajato ka nanontaniany hoe: –Handeha hanafika an’i Ramôta-Gilehada ve aho, sa tsia? Dia novalian’ireo hoe: –Mandehana fa hatolotry ny Tompo eo an-tananao ny tanàna.
Fa namaly aho hoe: –Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô! Indreo ny mpaminany milaza aminy hoe: «Tsy hiharan’ny ady na ny mosary ianareo, fa Andriamanitra mihitsy no hanome fiadanana marina ho anareo eto amin’ity toerana ity.»
Ny olona maniratsira ny teniko dia sahiny ilazana hoe: ‹Hisy fiadanana ho anareo›. Mikiribiby amin’ny ditram-pony dia anambaràny hoe: ‹Tsy hahatratra antsika ny loza.›
Alasafay fotsiny no nitsaboany ny fahavoazan’ny vahoakako tamin’ny nilazany hoe: «Fiadanana, fiadanana!»; kanjo tsy nisy fiadanana akory!
Nanantena fiadanana isika, nefa tsy nisy soa akory. Nanantena fotoam-panasitranana isika kanjo indro zava-mampihorohoro.
Hafatra mamitaka sy poaka aty no nambaran’ny mpaminaninao taminao. Tsy namaky bantsilana ny helokao izy mba hiarovana anao tsy ho babo; fa hafatra mamitaka sy manodoka no nambarany taminao.
Ny lainganareo dia nahakivy ny olo-marina tsy tiako halahelo ary nampirisika ny olon-dratsy tsy hiala amin’ny toe-dratsiny mba hamelomana azy.
Raha misy olona iray mpanao kobaka am-bava sy mpamoron-dainga ka miteny hoe: «Lazaiko aminareo fa divay sy toaka no hatobaka ho anareo», dia izy no mpaminany mirediredy mendrika an’ity vahoaka ity!
Amin’ny anaovan’ny olona hoe: «Miadana sy mandry feizay ny zavatra rehetra!», amin’iny no hamely azy tampoka ny fandringanana ka tsy ho azony andosirana mihitsy, mova tsy ny fanaintainan’ny vehivavy bevohòka mihetsi-jaza.