Jeremia 14:13 - DIEM PROTESTANTA13 Fa namaly aho hoe: –Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô! Indreo ny mpaminany milaza aminy hoe: «Tsy hiharan’ny ady na ny mosary ianareo, fa Andriamanitra mihitsy no hanome fiadanana marina ho anareo eto amin’ity toerana ity.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201113 Dia hoy aho hoe: Indrisy, RY TOMPO Andriamanitra ô! Indreo ny mpaminany miteny aminy hoe: Tsy hiharan’ny sabatra ianareo ary tsy ho mosarena; fa homeko fiadanana maharitra eto amin’ity toerana ity ianareo. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara13 Fa namaly aho hoe: –Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô! Indreo ny mpaminany milaza aminy hoe: «Tsy hiharan’ny ady na ny mosary ianareo, fa Andriamanitra mihitsy no hanome fiadanana marina ho anareo eto amin’ity toerana ity.» Jereo ny tokoBaiboly Katolika13 Ka hoy aho namaly: «Indrisy, ry Iaveh Tompo ô, indreto ny mpaminany milaza amin’izy ireo hoe: Tsy hahita sabatra ianareo, ny mosary tsy hisy, fa homeko fiadanana azo antoka tsara amin’ity fiainana ity!» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy13 Dia hoy izaho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indreo ny mpaminany manao aminy hoe: Tsy hiharan’ny sabatra hianareo, Ary tsy ho mosarena; Fa homeko fiadanana maharitra eto amin’ity tany ity hianareo. Jereo ny tokoMalagasy Bible13 Dia hoy izaho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indreo ny mpaminany manao aminy hoe: Tsy hiharan'ny sabatra ianareo, ary tsy ho mosarena; Fa homeko fiadanana maharitra eto amin'ity tany ity ianareo. Jereo ny toko |
Ny mpitondra azy mitsara mba hahazoana tsolotra; ny mpisorony mampianatra ny lalàna mba hahazoana karama; ary ny mpaminaniny manambara ny ho avy mba hahazoana vola. Kanefa dia mbola miankina amin’ny TOMPO ihany ireo ka miteny hoe: «Tsy eto anivontsika ve ny TOMPO? Tsia, tsy hisy loza hanjo antsika.»