Jeremia 42:6 - DIEM PROTESTANTA Naniraka anao hanontany ny TOMPO Andriamanitsika izahay. Koa hotanterahinay izay rehetra asainy hataonay, na tianay na tsy tianay; ary handeha tsara ho anay ny zavatra rehetra, satria mankatò ny feon’ny TOMPO Andriamanitsika izahay. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Na ho soa, na ho ratsy, dia hohenoinay ny feon’NY TOMPO Andriamanitray, izay nanirahanay anao, mba hahasoa anay, raha mihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitray izahay. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Naniraka anao hanontany ny TOMPO Andriamanitsika izahay. Koa hotanterahinay izay rehetra asainy hataonay, na tianay na tsy tianay; ary handeha tsara ho anay ny zavatra rehetra, satria mankatò ny feon’ny TOMPO Andriamanitsika izahay. Baiboly Katolika na ho soa na ho ratsy, mba hiavian’ny soa aminay amin’ny fanekenay ny feon’i Iaveh Andriamanitray.» Baiboly Protestanta Malagasy Na ho soa, na ho ratsy, dia hohenoinay ny feon’i Jehovah Andriamanitray, izay nanirahanay anao, mba hahasoa anay, raha mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitray izahay. Malagasy Bible Na ho soa, na ho ratsy, dia hohenoinay ny feon'i Jehovah Andriamanitray, izay nanirahanay anao, mba hahasoa anay, raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitray izahay. La Bible en Malgache Na ho soa, na ho ratsy, dia hohenoinay ny feon’NY TOMPO Andriamanitray, izay nanirahanay anao, mba hahasoa anay, raha mihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitray izahay. |
Avy eo dia nalainy ny bokin’ny fanekempihavanana ka novakîny mafy teo imason’ny vahoaka. Dia nanambara ny Israelita hoe: –Ny zavatra rehetra izay nandidian’ny TOMPO anay dia hotanterahinay an-tsakany sy an-davany.
Te haneho ny maha mpanjaka ve ianao ka nifidy ny hazo sedera mba hampaningana anao? Moa tsy nihinana sy nisotro tahaka ny besinimaro ve ny rainao sady nampihatra ny rariny sy ny hitsiny? Ary nahitany hasambarana izany.
Noho izany, tsy nanaiky hipetraka tany Joda araka izay nambaran’ny TOMPO azy i Jôhanàna zanakalahin’i Karea sy ireo rehetra mpifehy ny andia-miaramila mbamin’ireo olona niaraka taminy.
Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy izay lazaiko, dia ho Andriamanitrareo Aho ary ianareo ho vahoakako. Araho ny lalàna izay nandidiako anareo, dia hahita soa ianareo.
Koa ny zavatra tsara àry ve izany no nahatonga fahafatesana ho ahy? Sanatria! Fa ny fahotana, mba hihariharian’ny maha fahotana azy, no nahafaty ahy tamin’ny alalan’ny zavatra tsara; hany ka ny fahotana dia hita ho tena fahotana hiringiriny, amin’ny alalan’ny didy.
Inona àry no holazaintsika? Fahotana ve ny lalàna? Sanatria izany! Nefa tsy ho nahafantatra ny fahotana aho raha tsy tamin’ny alalan’ny lalàna. Ohatra: tsy ho nahafantatra ny fitsiriritana aho, raha tsy ny lalàna no nanao hoe: «Aza mitsiriritra.»
Ny firònan’ny maha olona mpanota dia mifanohitra amin’Andriamanitra, ka tsy manoa sady tsy afa-manoa ny lalànan’Andriamanitra akory.
Ianao no aoka hanatona ny TOMPO Andriamanitsika sy hihaino ny zavatra rehetra holazainy; avy eo vao hampitainao aminay ny zavatra rehetra nolazain’ny TOMPO Andriamanitsika taminao, ka hohenoinay sy hotanterahinay izany.»
Enga anie io vahoaka io mba ho tapa-kevitra mandrakariva toy izany hanaja Ahy sy hitandrina ny didiko rehetra, mba ho sambatra hatrany hatrany izy sy ny taranany.
Fa ny lalana rehetra izay nosoritan’ny TOMPO Andriamanitrareo ho anareo no halehanareo mba ho velona ianareo ka hahita soa ary ho maro andro iainana any amin’ny tany izay halainareo ho fananana.
Ka niteny tamin’i Josoa ny vahoaka hoe: –Ny TOMPO Andriamanitray no hotompoinay ary ny baikony no hankatoavinay.