Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 42:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Ary namaly an’i Jeremià ireo hoe: –Aoka ny TOMPO no ho vavolombelona marina sy mahatoky amintsika! Mianiana izahay fa araka ny teny anirahan’ny TOMPO Andriamanitrao aminay tokoa no hataonay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Dia hoy izy tamin’i Jeremia: NY TOMPO no aoka ho vavolombelona marina sy mahatoky amintsika raha tsy manatanteraka araka ny teny rehetra izay anirahan’NY TOMPO Andriamanitrao anao aminay izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Ary namaly an’i Jeremià ireo hoe: –Aoka ny TOMPO no ho vavolombelona marina sy mahatoky amintsika! Mianiana izahay fa araka ny teny anirahan’ny TOMPO Andriamanitrao aminay tokoa no hataonay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Dia hoy izy ireo tamin’i Jeremia: «Aoka i Iaveh ho vavolombelona marina sy mahatoky miampanga anay, raha tsy manatanteraka ny zavatra rehetra araka ny tenin’i Iaveh Andriamanitrao izay hampitondrainy anao ho anay izahay. Hanaiky ny feon’i Iaveh Andriamanitray, izay nanirahanay anao izahay,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Dia hoy izy tamin’i Jeremia: Jehovah no aoka ho vavolombelona marina sy mahatoky amintsika, raha tsy manao araka ny teny rehetra izay anirahan’i Jehovah Andriamanitrao anao aminay izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Dia hoy izy tamin'i Jeremia: Jehovah no aoka ho vavolombelona marina sy mahatoky amintsika, raha tsy manao araka ny teny rehetra izay anirahan'i Jehovah Andriamanitrao anao aminay izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Dia hoy izy tamin’i Jeremia: NY TOMPO no aoka ho vavolombelona marina sy mahatoky amintsika raha tsy manatanteraka araka ny teny rehetra izay anirahan’NY TOMPO Andriamanitrao anao aminay izahay.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 42:5
17 Rohy Ifampitohizana  

Raha mampijaly ny zanako vavy ianao, na maka vehivavy hafa ho vadinao, dia tandremo fa tsy olona no vavolombelontsika fa Andriamanitra mihitsy.


Hoy ireo tamin’i Mosesy: –Ianao ihany no mitenena aminay dia hohenoinay fa aoka tsy hiteny aminay mivantana Andriamanitra, fandrao maty izahay.


«Aza manonom-poana ny anarako ianao fa Izaho TOMPO Andriamanitrao dia mitana ho meloka izay manao toy izany.


Nanao hevitra kinangananga ianareo, raha naniraka ahy hanontany ny TOMPO Andriamanitrareo, ary nangataka ahy hivavaka ho anareo, ka nanao tamiko hoe: «Ampahafantaro anay avokoa izay rehetra nandidian’ny TOMPO anao, dia hataonay izany».


dia namaly i Hazarià zanakalahin’i Hosaià sy i Jôhanàna zanakalahin’i Karea ary ireo lehilahy mpirehaka rehetra ka nanao tamin’i Jeremià hoe: –Mpandainga ianao fa tsy naniraka anao hisakana anay tsy handeha hialokaloka any Ejipta ny TOMPO Andriamanitsika.


Noho izany, tsy nanaiky hipetraka tany Joda araka izay nambaran’ny TOMPO azy i Jôhanàna zanakalahin’i Karea sy ireo rehetra mpifehy ny andia-miaramila mbamin’ireo olona niaraka taminy.


Rehefa manao fianianana ny mponina, dia manao hoe: «Velona ny TOMPO, ka mianiana aho...»; nefa tsy marina akory ny fianianany.


Mihainoa ianareo, ry firenena rehetra. Mandrenesa tsara, ry tany sy izay rehetra ao aminy! Ny Tompo ANDRIANANAHARY no ho tonga eo anivonareo mba ho vavolombelona hiampanga, dia ny Tompo avy ao amin’ny tempoliny masina.


Dia anontanianareo ny anton’ny tsy anekeny izany intsony. Ny antony dia satria efa nanaiky teo anatrehan’ny TOMPO ianareo fa ho mahatoky amin’ny vadin’ny fahatanoranareo. Vady vita fanekena taminareo izany, nefa dia nilaozanareo.


Ary hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao hoe: «Ho avy eo aminareo Aho mba hitsara anareo. Ho dodona Aho hanameloka ny mpanao majika, ny mpanitsakitsa-bady, ny mpianiana lainga, ny mpamaly karaman’ny mpiasa, ny mpamoritra mpitondratena sy kamboty na koa ny mpampahory vahiny, dia izay rehetra tsy manaja Ahy.»


Vavolombeloko Andriamanitra, dia Ilay tompoiko amin’ny foko tokoa amin’ny fanambarana ny Vaovao Mahafaly momba ny Zanany; eny, vavolombeloko Andriamanitra fa mahatsiaro anareo lalandava aho


ary ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’i Jesoa Kristy, ilay Vavolombelona mahatoky, ilay Zanaka lahimatoa sady voalohany natsangana ho velona avy tany amin’ny maty, ary ilay filohan’ny mpanjakan’ny tany! Tia antsika i Jesoa Kristy ka efa namaha antsika tamin’ny fatoran’ny fahotantsika fony Izy nahafoy ny rany,


–Manorata ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Laôdisia: «Izao no lazain’ny Amen, ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan’ny zavaboaarin’Andriamanitra:


Dia hoy ny valin-tenin’ny loholon’i Gilehada hoe: –Ny TOMPO no ho vavolombelona amintsika fa araka izay efa nambaranao no hataonay!


Hoy indray i Samoela tamin’izy ireo: –Ny TOMPO sy ny mpanjaka no vavolombelona anio fa tsy nisy zavatra hitanareo tamiko hanomezan-tsiny ny tenako. Dia hoy ny vahoaka teo hoe: –Eny, izy ireo no vavolombelona.


Ary hoy i Jônatàna tamin’i Davida: –Mandehana ombàm-piadanana, fa efa samy nianiana tamin’ny anaran’ny TOMPO isika hoe: «Ny TOMPO anie hanelanelana ahy sy ianao ary ny taranako sy ny taranakao mandrakizay!»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra