Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 4:9 - DIEM PROTESTANTA

Amin’ny andro hitrangan’izany, hoy ny teny hentitry ny Tompo, dia ho kivy ny mpanjaka sy ny mpitondra ambony, ho ketraka ny mpisorona ary hivarahontsana ny mpaminany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, dia ho very hevitra ny mpanjaka sy ny lehibe, ho kepoka ny mpisorona ary ho gaga ny mpaminany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Amin’ny andro hitrangan’izany, hoy ny teny hentitry ny Tompo, dia ho kivy ny mpanjaka sy ny mpitondra ambony, ho ketraka ny mpisorona ary hivarahontsana ny mpaminany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iaveh, - ny mpanjaka ama-mpifehy ho rera-po, ny mpisorona hiraviravy tanana, ary ny mpaminany ho kepoka foana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary amin’izany andro izany, hoy Jehovah, Dia ho very hevitra ny mpanjaka sy ny lehibe, Ary ho kepoka ny mpisorona, Sy ho gaga ny mpaminany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia ho very hevitra ny mpanjaka sy ny lehibe, ary ho kepoka ny mpisorona, sy ho gaga ny mpaminany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, dia ho very hevitra ny mpanjaka sy ny lehibe, ho kepoka ny mpisorona ary ho gaga ny mpaminany.

Jereo ny toko



Jeremia 4:9
20 Rohy Ifampitohizana  

dia nisy noloahan’ireo Babilônianina ny mandan’ny tanàna. Koa nony alina dia nitsoaka nandositra ireo miaramila jodeanina rehetra. Na dia voahodidin’ny Babilônianina aza ny tanàna, dia niala tao Jerosalema ireo ka nandalo ny vavahady tanelanelan’ny manda roa sady takaikin’ny zaridainan’ny mpanjaka; ary nihazo ny lalana mankany amin’ny lohasahan’i Jôrdàna i Tsedekià mpanjaka.


Fa levona toy ny setroka ny androm-piainako, ary kila toy ny tapa-porohana ny faraheriko.


Amin’izany andro izany, dia ho tahaka ny olona vavivavy toetra ny Ejiptianina, ka hangovitra noho ny tahotra raha vao maninji-tanana handrahona azy ny TOMPOn’izao rehetra izao.


Ho very hevitra ny Ejiptianina fa hampisavorovoroiko ny pôlitikany; koa ny fanahin’ny maty sy ny mpimasy ary ny mpamoha angatra sy ny mpisikidy no hanontaniany.


Na maraina na antoandro na alina no andalovan’ny loza, isaky ny mandalo izany, dia hahatratra anareo, ka horohoro moa izao raha vao re ny akon’izany!


Indray andro any anefa ianareo, ry mponin’i Israely na ianareo sarambabem-bahoaka, na ianareo mpanjaka sy mpitondra, na ianareo mpisorona sy mpaminany, dia samy ho menatra toy ny mpangalatra tra-tehaka.


Midradradradrà, ianareo mpitondra, manaova antsoantsom-pitarainana; mihosinkosena amin’ny tany, ianareo mpiandraikitra andian’ondry, fa tonga ny andro hamonoana anareo ho faty! Hataoko montsamontsana ianareo, ka ho toy ny fanaka sarobidy nianjera.


Ary nankaiza ireo mpaminany izay naminany teo aminareo fa tsy ho tonga hanafika anareo na ity tanàna ity ny mpanjakan’i Babilôna?


Azon’ny fahavalo ireo tanàna, azony ny toera-mimanda. Ary amin’izany andro izany na dia ireo miaramila maherifon’i Môaba aza, dia manaintaina toy ny vehivavy mihetsi-jaza.


maminany lainga ny mpaminany, mitady ny tombontsoany ny mpisorona, ary ny vahoakako mankasitraka izany. Koa rehefa tonga ny farany, inona kosa no hataonareo?


dia nisy noloahan’ireo Babilônianina ny mandan’ny tanàna. Koa nony alina dia nitsoaka nandositra ny miaramila jodeanina rehetra. Na dia voahodidin’ny Babilônianina aza ny tanàna, dia niala tao Jerosalema ihany ireo, ka nandalo ny vavahady tanelanelan’ny manda roa sady takaikin’ny sahan’ny mpanjaka, ary nihazo ny lalana mankany amin’ny lohasahan’i Jôrdàna.


«Mijere, ry mpaniratsira, dia migagà ka manjavòna! Fa ny zavatra hotanterahiko amin’ny andronareo dia zavatra tsy hinoanareo akory na dia hotantarain’olona aminareo aza.»