Amin’izany andro izany, dia hiteny ireo mponina amoron-tsiraka hoe: «Jereo ity manjo ny firenena nantenaintsika hialofana sy hitadiavam-bonjy ary hahafaka antsika manoloana ny mpanjakan’i Asiria! Ka aiza indray izao no handosirantsika?»
Jeremia 30:1 - DIEM PROTESTANTA Nisy baiko tamin’i Jeremià, dia baiko avy amin’ny TOMPO nanao hoe: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nisy baiko tamin’i Jeremià, dia baiko avy amin’ny TOMPO nanao hoe: Baiboly Katolika Izao no teny avy amin’i Iaveh, natao tamin’i Jeremia: Baiboly Protestanta Malagasy IZAO no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’i Jehovah: Malagasy Bible Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah: La Bible en Malgache Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO: |
Amin’izany andro izany, dia hiteny ireo mponina amoron-tsiraka hoe: «Jereo ity manjo ny firenena nantenaintsika hialofana sy hitadiavam-bonjy ary hahafaka antsika manoloana ny mpanjakan’i Asiria! Ka aiza indray izao no handosirantsika?»
Saingy izao, raha hamono ahy ho faty ianareo, dia fantaro fa mamono ny tsy manan-tsiny ka hibaby ny vokatr’izany ianareo sy ny mponina rehetra amin’ity tanàna ity; satria ny TOMPO tokoa no naniraka ahy hankatỳ aminareo hanambara ireo teny rehetra ireo mba ho renareo.
dia Izaho TOMPO no manamafy fa hirotsaka an-tsehatra hamely an’i Semahià sy ny taranany Aho: Tsy hisy na iray aza amin’ny fianakaviany ho tafajanona eo anivonareo mba hahita ny soa hataoko amin’ny vahoakako; satria nanosika anareo vahoakako hikomy amiko TOMPO izy. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.› »
«Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: Ataovy an-tsoratra izay hafatra rehetra efa nampitaiko taminao.