Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 30:2 - DIEM PROTESTANTA

2 «Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: Ataovy an-tsoratra izay hafatra rehetra efa nampitaiko taminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Soratinao amin’ny boky ny teny rehetra izay nolazaiko taminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 «Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: Ataovy an-tsoratra izay hafatra rehetra efa nampitaiko taminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: «Soraty amin’ny boky ny teny rehetra nolazaiko taminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Soratinao amin’ny boky ny teny rehetra izay efa nolazaiko taminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Soratinao amin'ny boky ny teny rehetra izay efa nolazaiko taminao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Soratinao amin’ny boky ny teny rehetra izay nolazaiko taminao.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 30:2
19 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Soraty ao amin’ny boky izany mba tsy hohadinoina; ary ambarao amin’i Josoa fa hofoanako tsy ho eto ambonin’ny tany mihitsy ny fahatsiarovana ny Hamalekita.


Hoy kosa ny Tompo tamin’i Isaià: «Ankehitriny, ndeha soraty amin’ny fafana izany eo anatrehan’ny mponin’i Jerosalema, ka ataovy raki-tsoratra ho vavolombelona haharitra hatrany amin’ny andro ho avy.


Ary hoy ny TOMPO tamiko: –Mandraisa takela-tanimanga iray lehibe, dia soraty araka ny fanaon’ny olona izao: «Ho an’i Mahera-Salala-Hasy-Baza» na hoe «Ho an’i Faingàna hamabo-Dodòna handroba.»


Hataoko mihatra amin’izany tany izany ny loza rehetra izay efa nolazaiko. Voasoratra ao anatin’ity boky ity ireny, dia araka izay efa nambaran’ny mpaminany Jeremià ny amin’ny firenena rehetra.


Nisy baiko tamin’i Jeremià, dia baiko avy amin’ny TOMPO nanao hoe:


«Makà horonan-taratasy iray hafa ianao ka soraty ao ireo hafatra rehetra tamin’ny horonan-taratasy voalohany izay nodoran’i Jôiakima mpanjakan’i Joda.


Dia naka horonan-taratasy iray hafa i Jeremià ka nomeny an’i Baròka, zanakalahin’i Nera sady mpanoratra. Ary nosoratany tao izay notononin’i Jeremià, dia ireo hafatra rehetra izay efa tao amin’ilay boky nodoran’i Jôiakima mpanjakan’i Joda; sady mbola niampy hafatra maro tahaka ireny koa.


«Ry Daniela, ahorony hiafina ireo teny ireo ka asio tombo-kase tsy ho azo sokafana ity boky ity ambara-pahatongan’ny fotoana farany; ho maro amin’izay no hamaky azy ka hitombo fahalalana.


Eny, izay rehetra hitantsika ao amin’ny Soratra Masina dia voasoratra ho fampianarana antsika mba hananantsika ny fanantenana no ho ny faharetana sy ny fampaherezana avy amin’ny Soratra Masina.


Izany fahoriana rehetra izany dia nihatra tamin’izy ireny ho ohatra fananarana, ary natao an-tsoratra ho fampitandremana antsika izay mby eo an-katoky ny andro farany.


Ary ankehitriny, aoka hisy hanoratra izao tononkira hampitaiko aminareo izao; ka ianao, ry Mosesy, no mampianara azy amin’ny Israelita. Ary aoka tsy ho afaka am-bavan’ny Israelita izany tononkira izany mba ho vavolombelona hiampangako azy.


satria na oviana na oviana tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona, fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona izay nentanin’ny Fanahy Masina.


nanao hoe: –Izay zavatra hitanao dia soraty ho boky ka ampitondray any amin’ny Fiangonana fito: dia any Efeso, Smirna, Pergàmo, Tiatira, Sardy, Filadelfia, ary Laôdisia.


Koa soraty izay zavatra efa hitanao, na izay ankehitriny, na izay mbola ho avy any aoriana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra