Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 20:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Amin’izany andro izany, dia hiteny ireo mponina amoron-tsiraka hoe: «Jereo ity manjo ny firenena nantenaintsika hialofana sy hitadiavam-bonjy ary hahafaka antsika manoloana ny mpanjakan’i Asiria! Ka aiza indray izao no handosirantsika?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Amin’izany andro izany dia hiteny ny mponina etỳ amoron-dranomasina hoe: E, ity manjo ilay nantenaintsika sady nandosirantsika mba hamonjy antsika ho afaka amin’ny mpanjakan’i Asiria! Aiza intsony re no handosirantsika?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Amin’izany andro izany, dia hiteny ireo mponina amoron-tsiraka hoe: «Jereo ity manjo ny firenena nantenaintsika hialofana sy hitadiavam-bonjy ary hahafaka antsika manoloana ny mpanjakan’i Asiria! Ka aiza indray izao no handosirantsika?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Amin’izany andro izany ny mponina eo amoron’ity ranomasina ity hanao hoe: ‹Izao lahy no nanjò an’ilay niankinantsika, ilay noheverintsika mandositra hohatonina hitady famonjena ary mba ho afaka eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria? Ary isika indray kosa hataontsika ahoana no hahafa-mandositra?› »

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary amin’izany andro izany ny mponina etỳ amoron-dranomasina dia hanao hoe: He! ity manjo ilay nantenaintsika sady nandosirantsika ho famonjena antsika ho afaka amin’ny mpanjakan’i Asyria! Aiza intsony re no handosirantsika?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary amin'izany andro izany ny mponina etỳ amoron-dranomasina dia hanao hoe: He! ity manjo ilay nantenaintsika sady nandosirantsika ho famonjena antsika ho afaka amin'ny mpanjakan'i Asyria! Aiza intsony re no handosirantsika?

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 20:6
16 Rohy Ifampitohizana  

Satria manafaka na dia ny olo-meloka aza Izy; eny, ny fahadiovan’ny tananao no hanafaka azy.


Diso fanantenana ireo satria samy nanampo, kanjo nangaihay nony tonga teo.


Amin’ny andro famalian’ny TOMPO, raha ho tonga avy any lavitra ny rambondanitra handrava, inona no azonareo atao, aiza no handosiranareo hitadiavam-bonjy ary aiza no hametrahanareo ny harenareo?


Ny rariny no horaisiko ho hazo mahitsy, ary ny fahamarinana no hataoko pilao. Koa hopaohin’ny havandra ny fiarovan-tsandoka ianteheranareo ary hindaosin’ny rano ny fierenareo.


Nisy baiko tamin’i Jeremià, dia baiko avy amin’ny TOMPO nanao hoe:


Loza ity! fa andro mampahatahotra, andro tsy misy toa azy; vanim-potoana mahory ho an’ny taranak’i Jakôba! Nefa ho afaka amin’izany ihany izy.»


«Rehefa tonga izany fotoana izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia ho Andriamanitry ny foko israelita rehetra Aho, ary izy ho vahoakako.»


Ary inona ity ataonao, ry Jerosalema? Na miakanjo marevaka aza ianao sy miravaka volamena sady manao manja maso, dia tsy misy ilana ny hatsaran-tarehinao. Fa harian’ireo lehilahy naka anao ianao, sady tadiaviny hovonoina ho faty.


Tonga ny andro fandravana ny Filistinina rehetra, hany ka tsy misy olona sisa tavela intsony mba hanampy an’i Tiro sy i Sidôna. Ravan’ny TOMPO tokoa ny Filistinina, dia ireo sisa velona avy any amin’ny nosy Kaftôra.


–Ry bibilava, tarana-menarana, hataonareo ahoana no fandositra tsy ho voaheloka any amin’ny lohasahan’afo?


Amin’ny anaovan’ny olona hoe: «Miadana sy mandry feizay ny zavatra rehetra!», amin’iny no hamely azy tampoka ny fandringanana ka tsy ho azony andosirana mihitsy, mova tsy ny fanaintainan’ny vehivavy bevohòka mihetsi-jaza.


ka hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy raharahaintsika ny famonjen-dehibe toy izany? Ny Tompo mihitsy no efa nitory voalohany izany famonjena izany, ary nohamafisin’ireo izay nandre mba ho fanasoavana antsika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra