Jeremia 26:22 - DIEM PROTESTANTA Fa i Jôiakima mpanjaka naniraka an’i Elnatàna zanakalahin’i Akbôra mbamin’ny lehilahy vitsivitsy hankany Ejipta. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 nefa nandefa iraka nankany Ejipta i Joiakima mpanjaka, dia i Elnatana, zanak’i Akbora, mbamin’ny olona sasany nanaraka azy hankany Ejipta. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa i Jôiakima mpanjaka naniraka an’i Elnatàna zanakalahin’i Akbôra mbamin’ny lehilahy vitsivitsy hankany Ejipta. Baiboly Katolika Fa naniraka olona ho any Ejipta i Jôakima mpanjaka, dia i Elnatàna zanak’i Akobôra, ary olon-kafa koa niaraka taminy, ho any Ejipta. Baiboly Protestanta Malagasy ary Joiakima mpanjaka naniraka olona nankany Egypta, dia Elnatana, zanak’i Akbora, mbamin’ny olona sasany nanaraka azy hankany Egypta. Malagasy Bible ary Joiakima mpanjaka naniraka olona nankany Egypta, dia Elnatana, zanak'i Akbora, mbamin'ny olona sasany nanaraka ny hankany Egypta. La Bible en Malgache nefa nandefa iraka nankany Ejipta i Joiakima mpanjaka, dia i Elnatana, zanak’i Akbora, mbamin’ny olona sasany nanaraka azy hankany Ejipta. |
Ary nomeny baiko i Hilkià mpisorombe sy i Ahikama zanakalahin’i Safàna mbamin’i Hakbôra zanakalahin’i Mikaià mbamin’i Safàna mpitantsoratra sy i Hasaià mpandraharahany ka nilazany hoe:
Dia lasa nankany amin’i Holdà mpaminanivavy i Hilkià mpisorona sy i Ahikama mbamin’i Hakbôra sy i Safàna ary i Hasaià. I Holdà, izay nonina tao Antanambaon’i Jerosalema, dia vadin’i Saloma zanakalahin’i Tikvà sy zafikelin’i Harahasa sady mpitahiry ny fanamiana masina tao an-tempoly. Koa rehefa niresaka tamin-dravehivavy ry i Hilkià,
TOMPO ô, mitana ny teninao Ianao ka hiambina anay mandrakariva tsy ho azon’ny karazan’olona toy izany,
Fa i Tsedekià mpanjakan’i Joda efa naniraka an’i Elehasà, zanakalahin’i Safàna sy an’i Gemarià zanakalahin’i Hilkià hankany Babilôna ho any amin’i Nebokadnetsara mpanjaka. Koa nampitondrain’i Jeremià azy roa lahy ny taratasy milaza hoe:
dia nidina tao an-dapan’ny mpanjaka ary tonga amin’ny biraon’ny mpitantsora-panjakana. Nivory tao avokoa ny mpitondra fanjakana ambony: i Elisamà mpitantsora-panjakana, i Delaià zanakalahin’i Semahià, i Elnatàna zanakalahin’i Hakbôra, i Gemarià zanakalahin’i Safàna, i Tsedekià zanakalahin’i Hananià sy ireo mpitondra fanjakana hafa rehetra.
Ary na dia niangavy mafy tamin’ny mpanjaka aza i Elnatàna sy i Delaià ary i Gemarià mba tsy handoroany ny horonan-taratasy, dia tsy nohenoiny;
ka nampaniraka haka an’i Jeremià tao an-kianjan’ny trano fiambenana, dia nanolotra azy teo an-tanan’i Gedalià, zanakalahin’i Ahikama sady zafikelin’i Safàna. Ary i Gadalià kosa dia hamela an’i Jeremià hody any aminy. Dia niaina teo anivon’ny vahoaka i Jeremià.
Nitsangana teo anoloan’ireo sary ireo ny loholona fitopolo lahy tamin’ny vahoakan’i Israely, ka isan’ireny i Jazanià zanakalahin’i Safàna. Samy nitana lovia fandoroana vovo-javamanitra teny an-tanany avy izy ary nidonaka ny setrok’izany.