Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 39:14 - DIEM PROTESTANTA

14 ka nampaniraka haka an’i Jeremià tao an-kianjan’ny trano fiambenana, dia nanolotra azy teo an-tanan’i Gedalià, zanakalahin’i Ahikama sady zafikelin’i Safàna. Ary i Gadalià kosa dia hamela an’i Jeremià hody any aminy. Dia niaina teo anivon’ny vahoaka i Jeremià.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 dia nandefa iraka haka an’i Jeremia teo amin’ny kianjan’ny trano fiambenana ka nanolotra azy an’i Gedalia, zanak’i Ahikama, zanak’i Safana, mba hoentiny any an-trano; dia niara-nitoetra tamin’ny olona tamin’izay izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 ka nampaniraka haka an’i Jeremià tao an-kianjan’ny trano fiambenana, dia nanolotra azy teo an-tanan’i Gedalià, zanakalahin’i Ahikama sady zafikelin’i Safàna. Ary i Gadalià kosa dia hamela an’i Jeremià hody any aminy. Dia niaina teo anivon’ny vahoaka i Jeremià.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 naniraka haka an’i Jeremia, tao an-kianjan’ny fiambenana; dia napetrany tamin’i Godoliasa zanak’i Ahikama zanak’i Safàna izy, hoentiny any an-trano, ka dia nitoetra teo amin’ny vahoaka izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 dia naniraka haka an’i Jeremia teo amin’ny kianjan’ny trano fiambenana, ka natolony an’i Gedalia, zanak’i Ahikama, zanak’i Safana, mba ho entiny any an-trano izy, ka dia nitoetra tao amin’ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 dia naniraka haka an'i Jeremia teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana, ka natolony an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, mba ho entiny any an-trano izy, ka dia nitoetra tao amin'ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 39:14
18 Rohy Ifampitohizana  

Ary nomeny baiko i Hilkià mpisorombe sy i Ahikama zanakalahin’i Safàna mbamin’i Hakbôra zanakalahin’i Mikaià mbamin’i Safàna mpitantsoratra sy i Hasaià mpandraharahany ka nilazany hoe:


Dia lasa nankany amin’i Holdà mpaminanivavy i Hilkià mpisorona sy i Ahikama mbamin’i Hakbôra sy i Safàna ary i Hasaià. I Holdà, izay nonina tao Antanambaon’i Jerosalema, dia vadin’i Saloma zanakalahin’i Tikvà sy zafikelin’i Harahasa sady mpitahiry ny fanamiana masina tao an-tempoly. Koa rehefa niresaka tamin-dravehivavy ry i Hilkià,


ary nomeny baiko i Hilkià, sy i Ahikama zanakalahin’i Safàna, ary i Habdôna zanakalahin’i Mikà mbamin’i Safàna mpitantsoratra sy i Hasaià mpandraharahany ka nilazany hoe:


mandra-pahatanterahan’ny zavatra nambarany; ny tenin’ny TOMPO no naneho azy ho tsy manan-tsiny!


Fa i Jôiakima mpanjaka naniraka an’i Elnatàna zanakalahin’i Akbôra mbamin’ny lehilahy vitsivitsy hankany Ejipta.


Fa i Jeremià kosa narovan’i Ahikama zanakalahin’i Safàna ka tsy nisy sahy nanolotra azy ho eo an-tanan’ny vahoaka mba hovonoina ho faty.


Ny tafika babilônianina tamin’izay dia nanao fahirano an’i Jerosalema; ary i Jeremià mpaminany dia nogadraina tao an-dapan’ny mpanjakan’i Joda, tao an-kianja fiambenana.


Dia nanome baiko i Tsedekià mpanjaka mba hapetraka eo an-kianjan’ny trano fiambenana i Jeremià sady homena mofo boribory iray isan’andro avy ao amin’ny lalankelin’ny Mpanao mofo mandra-pahalanin’ny mofo rehetra ao an-tanàna. Toy izany no nijanonan’i Jeremià tao an-kianjan’ny trano fiambenana.


dia nosintonin’ireo ny tady mahazaka ka nakariny avy tao an-davaka i Jeremià; ary nipetraka tao an-kianjan’ny trano fiambenana izy.


Ary i Jeremià dia nijanona teo an-kianjan’ny trano fiambenana mandra-pahatongan’ny andro izay nahazoana an’i Jerosalema. Izao no zava-niseho tamin’ny nahazoana an’i Jerosalema:


Ary i Nebozaradàna lehiben’ny mpiambina nifanaraka tamin’i Nebosazbàny izay lehilahy tena mahatoky ny mpanjaka sy i Nergala-Saretsera lehiben’ny etamazaoro sy ny manamboninahitra sisa rehetran’ny mpanjaka,


Fa fony mbola voatana tao an-kianjan’ny trano fiambenana i Jeremià, dia nisy kosa tenin’ny TOMPO taminy nanao hoe:


Ary tonga tamin’i Jeremià indray ny teny avy amin’ny TOMPO taorian’ny namotsoran’i Nebozaradàna, lehiben’ny mpiambina azy hiala tao Ramà. Fa nigadra niaraka tamin’ny olon’i Jerosalema sy ny olon’i Joda izay efa hoentin-ko babo any Babilôna i Jeremià.


Ary raha mbola nihazohazo teo i Jeremià, dia hoy i Nebozaradàna taminy: «Mahazo miverina any amin’i Gedalià, zanakalahin’i Ahikama sy zafikelin’i Safàna ianao, fa izy no voatendrin’ny mpanjakan’i Babilôna hitondra ireo tanànan’i Joda. Mipetraha miaraka aminy eo anivon’ny vahoaka, ka mandehàna amin’izay toerana tianao haleha.» Dia nomen’ny lehiben’ny mpiambina vatsy sy fanomezana i Jeremià, ary navelany handeha.


Ary i Jeremià nankany amin’i Gedalià zanakalahin’i Ahikama tao Mitsepà, ka niara-nipetraka taminy teo anivon’ny vahoaka izay sisa velona teo amin’ny tany.


Mbola nisy andia-miaramila jodeanina tavela tany an-tsaha; henon’ireo lehibeny sy ireo olom-peheziny fa ny mpanjakan’i Babilôna efa nanendry an’i Gedalià, zanakalahin’i Ahikama hitondra ny tany sy nanankina taminy ny mahantra, dia izay lehilahy sy vehivavy ary ankizy tsy nentina ho babo tany Babilôna.


Kanjo tamin’ny volana fahafiton’io taona io ihany dia tonga tany amin’i Gedalià tao Mitsepà, niaraka tamin’ny olona folo lahy i Jismahela, zanakalahin’i Netanià sy zafikelin’i Elisamà; fianakavian’ny mpanjaka io Jismahela io sady anisan’ny manamboninahiny. Koa raha mbola teo am-pihinanana niaraka tamin’i Gedalià iny indrindra,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra