Jeremia 24:5 - DIEM PROTESTANTA –Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: Ho tahaka ireto aviavy tsara ireto no hijereko ny Jodeanina voababo izay noroahiko hiala teto amin’ity toerana ity hankany Babilônia. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Tahaka ireto aviavy tsara ireto no fijeriko ny Joda voababo mba hanasoavako azy, dia ireo noroahiko niala tamin’ity tany ity ho any amin’ny tanin’ny Kaldeana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: Ho tahaka ireto aviavy tsara ireto no hijereko ny Jodeanina voababo izay noroahiko hiala teto amin’ity toerana ity hankany Babilônia. Baiboly Katolika «Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely: Tahaka ny fijery an’ireto aviavy tsara ireto no ho fijeriko amim-pitiavana ny voababo amin’i Jodà, izay nalefako avy amin’ity fitoerana ity, ho any amin’ny tanin’ny Kaldeanina. Baiboly Protestanta Malagasy Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tahaka ireto aviavy tsara ireto no fijeriko ny Joda voababo mba hanasoavako azy, dia ireo noroahiko niala tamin’ity tany ity ho any amin’ny tanin’ny Kaldeana. Malagasy Bible Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tahaka ireto aviavy tsara ireto no fijeriko ny Joda voababo mba hanasoavako azy, dia ireo noroahiko niala tamin'ity tany ity ho any amin'ny tanin'ny Kaldeana. La Bible en Malgache Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Tahaka ireto aviavy tsara ireto no fijeriko ny Joda voababo mba hanasoavako azy, dia ireo noroahiko niala tamin’ity tany ity ho any amin’ny tanin’ny Kaldeana. |
Izaho manko no mahalala ny hevitra omaniko ho anareo, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Hoavy azo antoka no homeko anareo.
«Ianareo kosa, ry babo rehetra izay nasain’ny Tompo nentina avy eto Jerosalema hankatỳ Babilôna, mihainoa ny tenin’ny TOMPO.
«Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady ilay Andriamanitr’i Israely, ho an’izay rehetra natolony ho babo avy tao Jerosalema ho any Babilôna:
Ambarao aminy koa fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Hangoniko avy any amin’ny firenena sy ny tany izay nanelezako anareo ianareo, ka homeko ny tanin’i Israely indray.
Amin’izay dia hizotra araka ny lalànako rehetra ianareo ary hitandrina ny fitsipiko ka hampihatra azy, dia ho vahoakako ianareo ary Izaho ho Andriamanitrareo.
Kanefa, na amin’izany fotoana itoerany any amin’ny tanin’ny fahavalony any izany aza, dia tsy holaviko tanteraka izy ary tsy ho halako hataoko lany ringana na ho halako hanapahako ny fanekempihavanako taminy, satria Izaho no TOMPO Andriamaniny.
Fa tsara ny TOMPO, fialofana amin’ny andro mahory Izy. Izy no miahy izay mialoka aminy,
Ary hotsapaiko io ampahatelony io ka hodioviko toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy amin’ny afo. Koa hivavaka amiko izy, ary hamaly azy Aho. Dia hilaza aminy Aho hoe: ‹Ry vahoakako› ary izy hanao hoe: ‹Ny Tompo no Andriamanitray›. »
Fantatsika fa Andriamanitra dia miasa hahatonga ny zavatra rehetra hahasoa ny olona tia Azy, dia ny olona nantsoiny araka ny fikasany rahateo.
ankehitriny kosa, efa nahalala an’Andriamanitra ianareo. Mihoatra noho izany aza: efa nahalala anareo Andriamanitra, ka ahoana ianareo no miverina indray amin’ny herin-javatra tsy manam-pahefana azy ary tsy misy fotony, dia herin-javatra izay tianareo hotompoina hatrany am-boalohany indray?
Izy koa, tatỳ an-taniefitra, no namahana anareo tamin’ny mana, izay hanina tsy fantatry ny razanareo; nampanetry tena anareo sy nizaha toetra anareo Izy mba hahasambatra anareo rahatrizay.
Kanefa ny fanorenana mafy nataon’Andriamanitra dia miorina tsara sady voasokitra eo ny teny hoe: «Fantatry ny Tompo ireo Azy», sy ny hoe «Aoka hiala amin’ny ratsy avokoa ny olona rehetra mitonona ho mpanaja ny Tompo!»