sady tsy mba manisy zana-bola rehefa mampisambotra no tsy mba mandray tsolotra hamelezana ny tsy manan-tsiny. Izay manao izany sy izany dia tsy hihontsona na oviana na oviana.
Jeremia 11:6 - DIEM PROTESTANTA Fa hoy indray ny TOMPO tamiko: –Antsoy any an-tanànan’i Joda sy eny an-dalamben’i Jerosalema izao hafatra rehetra izao hoe: «Hajaonareo ny tenin’ity fanekempihavanana izay nampanaoviko anareo ity, ary araho. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy NY TOMPO tamiko: Torio any an-tanànan’ny Joda sy any an-dalamben’i Jerosalema izany teny rehetra izany ka lazao hoe: Henoy ny tenin’izao fanekena izao ary ankatoavy izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa hoy indray ny TOMPO tamiko: –Antsoy any an-tanànan’i Joda sy eny an-dalamben’i Jerosalema izao hafatra rehetra izao hoe: «Hajaonareo ny tenin’ity fanekempihavanana izay nampanaoviko anareo ity, ary araho. Baiboly Katolika Dia hoy i Iaveh tamiko: «Torio any an-tanànan’i Jodà sy eny an-dalamben’i Jerosalema izany teny rehetra izany ka ataovy hoe: Henoy ny teny amin’ity fanekena ity, ka tanteraho amin’ny asa izany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Jehovah tamiko: Torio any an-tanànan’ny Joda Sy any an-dàlamben’i Jerosalema izany teny rehetra izany, ka lazao hoe: Henoy ny tenin’izao fanekena izao, Ka ankatoavy izy. Malagasy Bible Ary hoy Jehovah tamiko: Torio any an-tanànan'ny Joda sy any an-dalamben'i Jerosalema Izany teny rehetra izany, ka lazao hoe: Henoy ny tenin'izao fanekena izao, ka ankatoavy izy. La Bible en Malgache Ary hoy NY TOMPO tamiko: Torio any an-tanànan’ny Joda sy any an-dalamben’i Jerosalema izany teny rehetra izany ka lazao hoe: Henoy ny tenin’izao fanekena izao ary ankatoavy izany. |
sady tsy mba manisy zana-bola rehefa mampisambotra no tsy mba mandray tsolotra hamelezana ny tsy manan-tsiny. Izay manao izany sy izany dia tsy hihontsona na oviana na oviana.
Miantsoa mafy, fa aza atao malemy. Ataovy avo toy ny trompetra ny feonao. Vakio bantsilana amin’ny vahoakako ny fikomiany ary amin’ny taranak’i Jakôba ny fahotany.
Avy eo dia mivoaha mankany amin’ny lohasahan’i Bena-Hinôma, izay eo anoloan’ny vavahadin’ny vakim-bilany ary any no torio ny hafatra hambarako anao,
«Ndeha ataovy antso avo ao Jerosalema fa izao no lazaiko: «Tsaroako ny toetranao fahiny, ry Israely. Endrey izany fifikiranao tamiko fony ianao mbola tanora! Endrey izany fitiavanao Ahy fony ianao mbola fofombadiko! Nanaraka Ahy hatrany an-taniefitra ianao, tany amin’ny faritany tsy nisy zava-maniry.
Koa mandehana ambarao any avaratra any izao hafatra izao hoe: Miverena, ry Israely mpiodina, hoy ny teny hentitry ny TOMPO; fa tsy hanao tarehy ratsy aminao Aho, satria entanim-pitiavana, fa tsy mitahiry hatezerana maharitra.
hitsangana eo am-bavahadin’ny tranon’ny TOMPO sy hiantsoantso izao hafatra izao: «Mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianareo olon’i Joda rehetra izay miditra amin’ity vavahady ity mba hivavaka amin’ny TOMPO.
Fahiny efa niteny toy izany tamin’ny alalan’ireo mpaminany ny TOMPO, fony mbola nandry fahalemana ny mponin’i Jerosalema sy ny tanàna manodidina, ary mbola nonenana koa ny faritany atsimo sy ny lemak’i Sefelà.
Tsia, tsy izay mihaino fotsiny ny lalàna no hoeken’Andriamanitra ho marina, fa izay manatanteraka ny lalàna no hoeken’Andriamanitra ho marina.
Ary hoy indray i Mosesy hoe: «Ankehitriny, ry Israelita, henoy ny lalàna amam-pitsipika izay ampianariko anareo hotanterahinareo, mba ho velona ianareo ka hiditra sy hanana ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitry ny razambenareo anareo.
«Araka izay nandidian’ny TOMPO Andriamanitro ahy, indro ianareo efa nampianariko lalàna amam-pitsipika hotanterahinareo any amin’ny tany izay efa hidiranareo mba halainareo ho fananana.»