Hoy izy amin’ireo mpahita hoe: «Aza manam-pahitana ianareo»; ary amin’ireo mpaminany hoe: «Aza maminany zava-marina aminay, fa izay mahafaly anay ihany no lazao. Maminania nofinofy aminay.
Jeremia 11:21 - DIEM PROTESTANTA Koa izao no lazain’ny TOMPO hamelezana ny mponin’i Hanatôta izay nitady hamono ahy ka nanao tamiko hoe: «Aza maminany amin’ny anaran’ny TOMPO, fandrao ho fatin’ny tananay ianao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa izao no lazain’NY TOMPO ny amin’ny mponina ao Anatota, izay mitady ny ainao ka miteny hoe: Aza maminany amin’ny anaran’NY TOMPO, fandrao matin’ny tananay ianao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa izao no lazain’ny TOMPO hamelezana ny mponin’i Hanatôta izay nitady hamono ahy ka nanao tamiko hoe: «Aza maminany amin’ny anaran’ny TOMPO, fandrao ho fatin’ny tananay ianao.» Baiboly Katolika Ka dia izao no lazain’i Iaveh, ny amin’ireo olona ao Anatôta, izay mitady ny ainao, sy manao hoe: Aza maminany amin’ny Anaran’i Iaveh, raha tsy te ho fatin’ny tananay ianao! Baiboly Protestanta Malagasy Koa izao no lazain’i Jehovah ny amin’ny mponina ao Anatota, izay mitady ny ainao ka manao hoe: Aza maminany amin’ny anaran’i Jehovah, fandrao matin’ny tànanay hianao,– Malagasy Bible Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mponina ao Anatota, izay mitady ny ainao ka manao hoe: Aza maminany amin'ny anaran'i Jehovah, fandrao matin'ny tananay ianao, La Bible en Malgache Koa izao no lazain’NY TOMPO ny amin’ny mponina ao Anatota, izay mitady ny ainao ka miteny hoe: Aza maminany amin’ny anaran’NY TOMPO, fandrao matin’ny tananay ianao. |
Hoy izy amin’ireo mpahita hoe: «Aza manam-pahitana ianareo»; ary amin’ireo mpaminany hoe: «Aza maminany zava-marina aminay, fa izay mahafaly anay ihany no lazao. Maminania nofinofy aminay.
Ity boky ity dia mirakitra ny asa sy teny nataon’i Jeremià, zanakalahin’i Hilkià isan’ny mpisorona tao Hanatôta, tanàna iray tamin’ny faritanin’i Benjamîna.
Hiady aminao izy nefa tsy haharesy anao, fa miaraka aminao Aho mba hanafaka anao. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
Reko ny besinimaro miteny ratsy ahy ka manome anaram-bosotra hoe: «Fihorohoroana hatraiza hatraiza.» «Torio izy», hoy ny sasany; «Eny, hotorintsika izy», hoy ny hafa. Ireo sakaiza tiako indrindra aza dia miandry kendry tohina hahavoa ahy: «Izay angamba no hahavoafitaka azy sy haharesentsika azy, hoy ireo, ka hisamborantsika azy hanaovana valifaty
Koa rehefa tapitra voalazan’i Jeremià ny teny rehetra izay nasain’ny TOMPO nambarany tamin’ny besinimaro teo, dia nosamborin’izy rehetra i Jeremià ka nataony hoe: –Mendrika ho faty ianao.
–Ho avy any aminao i Hanamèla, zanakalahin’i Salòma rahalahin-drainao momba ny sahany ao Hanatôta. Hiangavy anao izy mba hividy io saha io, satria ianao no havany akaiky ka manan-jo hanavotra hividy azy.
Koa hatolotro ho eo an-tanan’ny fahavalo izay mitady hahafaty azy izy; ary ho sakafon’ny voromahery sy ny bibidia ny fatiny.
Kanjo nampisotroinareo divay ireo Nazirita; ary ny mpaminany noraranareo tsy hampita ny hafatr’Andriamanitra.
Fa ny zanakalahy maniratsira ny rainy, ny zanakavavy manohitra ny reniny, ny vinantovavy manohitra ny rafozam-baviny, ary ny ankohonan’ny olona ihany no fahavalony.
Hisy olona hanolotra ny iray tampo aminy hovonoina; hisy raim-pianakaviana hanolotra ny zanany hovonoina; ary hisy zanaka hanohitra ray aman-dreny ka hampanameloka azy ho faty.
Fa nosamborin’ireo mpamboly ny mpiasany ka ny anankiray nokapohiny, ny anankiray novonoiny ary ny anankiray notorahany vato.
Ary niteny indray i Jesoa hoe: –Lazaiko marina aminareo fa tsy misy mpaminany to teny eo amin’ny tanàna nahabe azy.