Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 11:16 - DIEM PROTESTANTA

Izy io dia nataoko hoe «Hazo ôliva maitso, misy voany mahafinaritra». Kanjo ao anatin’ny kotaba lehibe no andrehetako afo handoro ny raviny; ary dia hotapatapahina ny rantsany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hazo oliva maitso sady misy voany tena tsara endrika no nataon’NY TOMPO anaranao. Tamin’ny fihorakorahana be no nandrehetany afo taminy ary nokapaina ny rantsany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izy io dia nataoko hoe «Hazo ôliva maitso, misy voany mahafinaritra». Kanjo ao anatin’ny kotaba lehibe no andrehetako afo handoro ny raviny; ary dia hotapatapahina ny rantsany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Fototr’ôliva maitso tsara, miravaka voa tsara tarehy, no anarana nomen’i Iaveh anao. Ary tamin’ny horakoraka be, no nandrehetany afo taminy, ka tapaka ny rantsany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

,Hazo oliva maitso sady misy voany maha-te-hizaha’ No nataon’i Jehovah anaranao; Tamin’ny fihorakorahana be no nandrehetany afo taminy, Ary notapahina ny rantsany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Hazo oliva maitso sady misy voany maha-te-hizaha no nataon'i Jehovah anaranao; Tamin'ny fihorakorahana be no nandrehetany afo taminy, ary notapahina ny rantsany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hazo oliva maitso sady misy voany tena tsara endrika no nataon’NY TOMPO anaranao. Tamin’ny fihorakorahana be no nandrehetany afo taminy ary nokapaina ny rantsany.

Jereo ny toko



Jeremia 11:16
18 Rohy Ifampitohizana  

Ny tsy mpivavaka dia tahaka ny hazo izay feno tsiron-tany sady hazavain’ny masoandro. ka ny rantsany misandrahaka eo ambonin’ny tanimboly misy azy.


Ny olo-marina hahita izany ka hitolagaga ary dia haneso anao sy handatsalatsa hoe:


arovy ilay zana-kazo nambolenao, ilay solofo nohatanjahinao ho Anao.


Aoka ho levon’ny fandrahonanao ireo fahavalo nanjera sy nandoro!


Andriamanitra ô, aza mangina Ianao, aza mihenahena sy mijanom-potsiny.


Rehefa maina ny rantsan-kazo, dia hotapahina; ary ho avy ny vehivavy ka handoro azy. Tsy manam-pahalalana tokoa ity firenena ity ka tsy hiantran’ilay Mpahary azy, sady tsy hangorahan’ilay Mpamorona azy.


Izaho anefa no namboly anao tahaka ny voaloboka tsara, dia rantsana tsara tokoa. Koa nahoana àry ianao no niova ho sampany ratsy sy tonga voaloboka hafa?


Izaho no hirotsaka hamely anareo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, araka ireo vokatry ny ratsy nataonareo. Dia hodorako amin’ny afo ny andry sedera marobe eo aminareo; ka ny zavatra rehetra manodidina ireo andry ireo dia ho levon’izany afo izany.


Noho izany dia izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Indro ny fahatezerako amam-pahavinirako hatobako amin’ity tanàna ity amin’ny olona sy ny biby fiompy, ary amin’ny hazo eny an-tsaha sy amin’ny vokatry ny tany; ka ho toy ny afo tsy mety maty izany.


Ho tahaka ny ando mahasoa azy Aho; dia hamony tahaka ny lisy izy ary hamàka tahaka ny hazon’i Libàno.


Indro efa eo am-poto-kazo ny famaky: ka ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ary hatsipy ao anaty afo.


Raha misy olona tsy miray amiko hatrany, dia ariana any ivelany tahaka ny sampana izy, ka mihamaina; ary angonina ireo sampana maina ka atsipy ao anaty afo, dia may.


Hanana fototr’ôliva manerana ny faritaninareo ianareo; nefa tsy hisy menaka hihosoranareo akory, satria hihintsana tsy mbola matoy ny ôlivanareo.


Ireo vavolombelona roa ireo no fototr’ôliva anankiroa sy fitoeranjiro anankiroa, izay mijoro eo anatrehan’ilay Tompon’ny tany.