Tsinontsinona avokoa ireo andriamanitry ny firenen-kafa, fa ny TOMPO kosa no nanao ny lanitra.
Jeremia 10:11 - DIEM PROTESTANTA Izao àry no holazainareo aminy: ireo andriamanitra tsy nanao ny lanitra sy ny tany ireo dia holevonina tsy ho etỳ an-tany intsony, sady tsy hanan-toerana atỳ ambanin’ny lanitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao anefa no holazainareo amin’ireny: Ny andriamanitra izay tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany dia ho levona tsy ho amin’ny tany na ho atỳ ambanin’ny lanitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izao àry no holazainareo aminy: ireo andriamanitra tsy nanao ny lanitra sy ny tany ireo dia holevonina tsy ho etỳ an-tany intsony, sady tsy hanan-toerana atỳ ambanin’ny lanitra. Baiboly Katolika Izao no holazainareo amin’ireny: Ireo andriamanitra tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany, dia hofongorana eto an-tany sy atỳ ambanin’ny lanitra. Baiboly Protestanta Malagasy (Izao no holazainareo amin’ireny: Ny amin’ny andriamanitra izay tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany, Dia ho levona tsy ho amin’ny tany na ho atỳ ambanin’ny lanitra ireny)– Malagasy Bible (Izao no holazainareo amin'ireny; Ny amin'ny andriamanitra izay tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany, dia ho levona tsy ho amin'ny tany na ho atỳ ambanin'ny lanitra ireny) La Bible en Malgache Izao anefa no holazainareo amin’ireny: Ny andriamanitra izay tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany dia ho levona tsy ho amin’ny tany na ho atỳ ambanin’ny lanitra. |
Tsinontsinona avokoa ireo andriamanitry ny firenen-kafa, fa ny TOMPO kosa no nanao ny lanitra.
Kanefa hovakiko bantsilana ny fihamboanao ho marina sy ny asanao; ka tsy hahasoa anao akory ireny.
Zava-poana sy asa mahatsikaiky ireny; fa amin’ny andro hamaizana azy, dia ho levona izy.
Hodorany amin’ny afo ny tempolin’ireo andriamanitry ny Ejiptianina, hodorany koa ireo andriamanitry ny Ejiptianina na hoentiny ho babo any aminy. Tahaka ny hitsimponan’ny mpiandry ondry ny haofotsy amin’ny fitafiany no hitsimponany an’i Ejipta. Avy eo dia hiala am-pilaminana izy.
Hotorotoroin’i Nebokadnetsara koa ireo vato mitsangana ao Heliôpôly ary horavany amin’ny afo ireo tempolin’ny andriamanitry ny Ejiptianina.› »
Ambarao amin’ny firenena ny vaovao, ampahafantaro amin’ny alalan’ny famantarana, ampahafantaro fa aza afenina ary lazao hoe: Azo i Babilôna, henatra moa izao ho an’ny sampiny ary haketrahana ho an’ireo andriamani-tsiiziny! Henatra moa izao ny an’i Bela, ary haketrahana ho an’i Merôdàky.
Zava-poana sy asa mahatsikaiky ireny; fa amin’ny andro hamaizana azy, no hahalevona ny sarivongan-tsampy.
«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Horavako tanteraka ireo sampy sy andriamani-tsiizy an’i Memfîsa. Tsy hisy mpitondra intsony any Ejipta ary hataoko manenika io tany io ny tahotra.
Hahatsiravina ny hataon’ny TOMPO aminy; hofoanany avokoa ireo andriamanitry ny olombelona. Koa na ireo hafa firenena faran’izay lavitra aza dia hiankohoka avokoa hitsaoka Azy, samy any amin’ny taniny avy.
«Amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitra avy amiko Tompon’izao rehetra izao, dia hofoanako amin’ny firenena ny anaran-tsampy ka tsy hisy hahatsiaro izany intsony. Hoesoriko ihany koa ireo mihambo ho mpaminany ary horavako ny fitiavanareo hanompo sampy.
Nosamborin’io anjely io ny dràgona, dia ilay bibilava fahizay (izany hoe ny devoly na i Satàna), ka nafatony arivo taona
Ny ampitso maraina manaraka dia hitan’ny olona fa mbola nidaboka tamin’ny tany teo anoloan’ny Vatamasin’ny TOMPO indray ilay sarivongana; tapaka teo an-tokonam-baravarana ny lohany sy ny tanany roa, fa ny vatabeny ihany no tsy nanohinana.