Zakaria 13:2 - DIEM PROTESTANTA2 «Amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitra avy amiko Tompon’izao rehetra izao, dia hofoanako amin’ny firenena ny anaran-tsampy ka tsy hisy hahatsiaro izany intsony. Hoesoriko ihany koa ireo mihambo ho mpaminany ary horavako ny fitiavanareo hanompo sampy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20112 Ary amin’izany andro izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia hofoanako ny anaran-tsampy amin’ny tany ka tsy hotsarovana intsony ireny; ary hesoriko amin’ny tany ny mpaminany sy ny fanahin’ny fahalotoana. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara2 «Amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitra avy amiko Tompon’izao rehetra izao, dia hofoanako amin’ny firenena ny anaran-tsampy ka tsy hisy hahatsiaro izany intsony. Hoesoriko ihany koa ireo mihambo ho mpaminany ary horavako ny fitiavanareo hanompo sampy. Jereo ny tokoBaiboly Katolika2 Ary hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika: - Hofoanako amin’ny tany ny anaran-tsampy, ka tsy hotononina intsony izany; ary hoesoriko amin’ny tany koa ny mpaminany mbamin’ny fanahim-pahalotoana. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy2 Ary amin’izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia hofoanako ny anaran-tsampy amin’ny tany, ka tsy hotsarovana intsony ireny; ary hesoriko amin’ny tany ny mpaminany sy ny fanahim-pahalotoana. Jereo ny tokoMalagasy Bible2 Ary amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia hofoanako ny anaran-tsampy amin'ny tany, ka tsy hotsarovana intsony ireny; ary hesoriko amin'ny tany ny mpaminany sy ny fanahim-pahalotoana. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache2 Ary amin’izany andro izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia hofoanako ny anaran-tsampy amin’ny tany ka tsy hotsarovana intsony ireny; ary hesoriko amin’ny tany ny mpaminany sy ny fanahin’ny fahalotoana. Jereo ny toko |
Hihatra amin’izy roa lahy izany noho ny nanaovany zavatra fady teo amin’i Israely; fa naka ny vadin’ny namany izy sady nilaza lainga kanefa nihambo ho niteny tamin’ny anarako, na dia tsy nomeko baiko aza hanao izany. Izaho TOMPO kosa dia mahalala ny zava-drehetra sady vavolombelon’izany, hoy ny teny hentitra avy amiko.› »
Ary hoy ny Tompo tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, ity toerana ity no misy ny sezafiandrianako, eto no fametrahako ny tongotro. Eto no honenako mandrakizay eo anivon’ny Israelita. Na ny vahoakan’i Israely na ny mpanjakany dia tsy hanala baràka ny anarako masina intsony amin’ny fanompoan-tsampy sy amin’ny fandevenana ny fatin’ireo mpanjakany eto.
Any amin’izay toerana rehetra nonenanareo dia ho lao ny tanàna, ary ho ravàna ny toeram-panasinana. Ho ravàna koa ny alitaranareo ary tsy hilaina intsony; hopotehina sy hofoanana ny sarivongam-tsampinareo, ary hosimbana ny fitaovana fandoroanareo zava-manitra mifangaro; ka dia holevonina avokoa izay namboarinao.